Paolo Raholinarivo, filohan’ny SYNAD

«Tsy misy dikany intsony ilay Fanjakana rehefa… »


  • Zoma 01 Martsa 2024

Niaro ny naneho ny heviny i Paolo Raholinarivo, filoha nasionalin'ny

Sendikan'ny Administratera Sivily eto Madagasikara (SYNAD) manoloana ny fanebahana ampahibemaso nahazo ny Lehiben'ny Distrikan'i Mahajanga II sady mpikambana ao amin’ny biraon'ny SYNAD, Nicolas Rabenandrasana, nataon'ny depiote Rasalama Léon, voafidy tao Mahajanga II. "Tadidio fa rehefa voazimbazimba ny Solotenam-panjakana dia ilay Fanjakana mihintsy no tsy misy dikany intsony… Izay no tsy mampisy izany « Autorité de l’Etat » izany intsony eto ka samy manao izay saim-patany ny rehetra satria tsy misy atahorany ka manjaka ny gaboraraka… Olom-boafidy tokony ho modely eto amin’ny Firenena manao fihetsikan’ny jiolahim-boto dia aiza moa isika no hahafehy Vahoaka amin’ny lafiny rehetra? Misaotra ny Collègues Administrateurs Civils mahasindry fo ka tsy voatariky ny kisoa hifampitolona aminy ao anaty vovoka sy fotaka, manana ny hasiny iny tenue anaovan-tsika iny. Manaitra ny Premier Ministre Chef du Gouvernement, Chef de l’Administration manolona ny fanimbazimbana ny Solotenanao eny imasom-bahoaka . Dia aza mbola mandray fepetra ihany fa mbola ho avy ny désobéissance civile satria very ilay fahefam-panjakana eto Madagasikara", hoy i Paolo Raholinarivo. Hangina fotsiny ihany koa ve ny Minisitry ny Atitany eo anatrehan’ny admnisitratera sivily izay notevatevaina imasom-bahoaka ireny ? Nisy rahateo ny fireharehana nataon’ilay olom-boafidy izay tsy vao izao fa efa hatry ny ela, fa nanao tatitra tany amin’ny filoham-pirenena mba hanesorana io Lehiben’ny distrika io. Hijanona eo io raharaha io sa hisy tohiny?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT