Paikady politika

Tinoka hatao PAN ? Sahondrarimalala hatao PM ?


  • Alakamisy 13 Jona 2024

Eo am-piandrasana ny voka-pifidianana raikitra avy amin’ny HCC,

efa mandeha ny adihevitra sy ny kajikajy samihafa eo anatrehan’ny fiovan’endrika ara-drafitra. Iza no ho Filohan’ny Antenimierampierampirenena vaovao ? Mbola ho voatazona ve ny Praiminisitra Ntsay Christian eo anatrehan’ny fanoloran’ny vondrona parlemantera maro an’isa ny anaran’ny Praiminisitra araka ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana? Anarana re siosio teo aloha handimby an-dRtoa Christine Razanamahasoa ny anaran-dRtoa Sahondrarimalala Marie Michelle minisitra teo aloha, isan’ireo olona natokisan’ny Filoham-pirenena hatramin’izay, isan’ny nandrindra ny fampielezan-kevitra farany teo, ary hany kandida nandresy tamin’ireo renivohi-paritany tamin’ity fifidianana ity, ary poa-droa raha ny vokatra vonjimaika satria nahazo 47% mahery eo, ary 22% eo kosa ny faharoa. Ny Filoham-pirenena mivantana no niditra an-tsehatra nanao propagandy hoe : ny antsika dia 2 foana, ary tsy maintsy poa-droa i Fianarantsoa. Avy amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa ny PAN teo aloha ka lojika ny mety hamerenana azy ho avy ao ihany, saingy mandeha ihany koa ny adihevitra hafa hoe : aleo mba ny hafa indray. Anarana nandeha teo aloha teo io, fa raha ny feo mivoaka avy any amin’ny Etamazaoro politikan’ny fitondrana dia ny Minisitra teo aloha Tinoka Roberto no voalaza fa efa omanina ho Filohan’ny fahefana mpanao lalàna, ka mety halefa ho Praiminisitra Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle. Ity farany izay efa tsara toerana tamin’ny fanovana governemanta farany teo. Ny Praiminisitra Ntsay Christian etsy andaniny efa tany amin’ny desambra 2022 no ratsiratsy toerana noho ny raharaha fitsipaham-pitokisana, saingy mbola misy hery matanjaka niezaka nitazona azy. Somary manahirana ny Fitondrana ihany koa anefa ny fandefasana an’i Tinoka Roberto ho PAN noho izy laharana faharoa tamin’ny fifidianana na efa natao aza izay fomba rehetra nandetehana ny kandidan’ny Firaisankina Siteny Andrianasoloniaiko, izay namoahana ireo jokera samihan’ny IRMAR, nampiasana fahefam-panjakana,… Misy sahady aza no maneho hoe : tsy ny Minisitry ny fitsarana teo aloha Imbiki Herilaza aza ve no tsara toerana kokoa ho PAN ?

TSY TENA MARIN-TOERANA
Na iza na iza aloha arotsaka ho PAN, dia sarotra ary tsy hisy intsony ny filohana andrim-panjakana lanin’ny depiote 100% toy ny tamin’ny nametrahana an’i Christine Razanamahasoa. Sarotra ny toeran’ny IRMAR izay mety ho azo ambara ho manana ny maro an’isa araka ny lalàna na « légal », fa tsy hanana fahamarinan-toerana na « légitime ». Mitarika amin’ny isana depoiote 80 amin’ny 163 rahateo ny IRMAR rehefa tena nojerena ny voka-pifidianana vonjimaika, saingy tsy tena mametraka ny maro an’isa « majorité relative » na ½ io izay mila 82 io, ary mazava ho azy ve very lavitra an’ilay 109 maro an’isa tsy azo hozongozonina na « majorité absolue». Tsy ny fananany maro an’isa no zava-dehibe eto na mety holalaovina amin’ilay hoe : manana fahamarinan-toerana, fa nitotongana io, rehefa tena halalinina. Nahazo depiote 83 teo ny IRD tamin’ny 2019, raha 76 ny « majorité relative» satria 151 ny isan’ny depiote tamin’izany. Izao anefa 163 ny depiote, izany hoe : nihen-danja ny volomboasary, notsotsofina tany amin’ireo distrika nakarina ho roa ny depiote toa an’Antsirabe I, Antalaha, Betioky Atsimo, Betafo, Mandritsara,… Taratry ny fitondrana miha malemy ary tsy maintsy mijery paikady politika hanarenana izany ny Fitondrana Rajoelina hitadiavana fahamarinan-toerana izay efa tena sarotra, saingy ny tsy fahombiazam-pitantana mbola resaka hafa, hany ka ny firenena sy ny vahoaka no mizaka ny ngidiny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT