Hatry ny ela no nandrenesana ny mety hirotsahan’i Orlando Robimanana ho kandida filoham-pirenena.
Vao mainka nampitombo io fijery sy fiheverana ny hirotsahany io ny namoahany boky mikasika ny fanarenana ny fampandrosoana Madagasikara, mitovitovy laharana amin’ireny vinan’ny filoha ankehitriny Fisandratana 2030 sy ny IEM (Initiative Emergence Madagascar) an’i Andry Rajoelina ireny. Anisan’ny famakafakana efa natao teto fa olona tombanana ho efa niomana fatratra izy ary mety ho kandida be vola be amin’izany satria mila vola io fa tsy mandeha ho azy. Tsy olonolom-poana rahateo i Orlando Robimanana fa anisan’ny olona natokisana sy nampiasain’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI). Mety hitera-doza ny filazana sy ny fiheverana izany, raha ny resaka an-tariby nataon’ny mpanao politika Guy Maxime Ralaiseheno, izay mpiara-dia aminy, ka nangatahany ny fandisoana ny filazana fa mety ho kandida manam-bola i Orlando Robimanana, araka ny fangatahany. Nisy ny siosion-dresaka re momba ny fanafoanana ny “Quartier general” eny Andranomena, ka nametrahana fanontaniana teto ihany koa ny hoe: tsy sahy indray i Orlando Robimanana ? “Amin’ny fomba ahoana no hahafaha-milaza fa nihemotra i Orlando Robimanana, kanefa izy aza tsy nanao fanambarana fa hirotsaka akory ?”, hoy kosa Guy Maxime Ralaiseheno, izany hoe diso fipetraka ny vaovao niely sy ny resaka faharavan’ny “QG” , ka nangatahany fandisoana hatrany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.