Voarohirohy tamin’ny raharaha kolikoly misy hidiran’i Claudine Razaimamonjy sy ny minisitry ny vola sy ny tetibola teo aloha Jean Razafindravonona ihany koa ny tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana teo aloha Orlando Robimanana noho ny resaka famoaham-bola mitentina 400 828 000 Ar nandoavana ny faktiora mitondra ny laharana 012/2014 sandan’ny fanavaozana fotodrafitrasan’ny INTP teny Antanetibe ny 05 janoary 2015.
Ny minisitra teo aloha no voatazona vonjimaika any am-ponja fa ity tale jeneraly teo aloha ity kosa dia voalaza fa efa nohadihadiana teny an-toerana, saingy nahazo fahafahana. Heverina fa anisan’ny namoaka sy nikirakira ny vola tamin'izany fotoana ny tenany amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy tao amin’ny tahirimbolam-panjakana,. Nofitahina ve ity tompon’andraikitra ity tamin’izany sa tratry ny tsindrin’ny lehibe ? Raha hidirana kely ny resaka politika, dia efa nisy ny resaka nivoaka fa mety ho kandida filoham-pirenena ary anisan’ny tena manana ny ampy raha ara-bola i Orlando Robimanana. Re indray andro vitsy lasa izay fa hoe nihemotra ny tenany. Misy ifandraisany amin’ity raharaha kolikoly ity ve io fihemorany io sa noho ny antony hafa mihitsy ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.