Ordonnance » hahafaha miditra anaty lisi-pifidianana

Mifarana ny 30 novambra, tsy azo entina mifidy fa hampidirana anarana


  • Alarobia 09 Oktobra 2024

Nisy ny naoty N°2928-24/CENI/SE/DOER navoakan’ny CENI ny 04 oktobra,

manamafy ny fangatahana fanoratana anarana anaty lisi-pifidianana ho an'ireo tsy anaty lisitra ho an'ny fifidianana. Fampiharana ny andininy faha-42 amin’ny lalàna fehizoro If-2018-008 tamin'ny 05 may 2018 momba ny fitsipika ankapobeny mifehy ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka. Izay tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana, hangataka alalana hosoratana ao amin'ny lisi-pifidianana amin'ny fokontany misy azy, dia afaka manao izany amin’ny alalan’ny, manao fangatahana fanamarinana tsy fisoratana anarana anaty lisitra eny amin'ny CID eny anivon'ny CED ampiarahana amin'ny dika mitovy voamarin'ny kara-panondrom-pirenena sy fanamarinam-ponenana (certificat de résidence) latsaky ny 3 volana: manao fangatahana didim-pitsarana (ordonnance sur requête) amin'ny filohan'ny tribonaly ambaratonga voalohany, mba anomezany hitsivolana (ordonnance) hampiditra anaty lisi- pifidianana an'ny fokontany misy ny fonenana, ka apaingotra amin'izany fangatahana izany ireto manaraka ireto: fanamarinana tsy fisoratana anarana anaty lisitra: dika mitovy voamarin'ny kara-panondrom-pirenenana, fanamarinam-ponenana latsaky ny 3 volana. Entina miverina eny amin'ny CED mialohan'ny faha 30 novambra 2024 ilay didim-pitsarana hoamarinina sy ampidirana ny mpangataka anaty lisi-pifidianana. Raha tara ny faha-30 novambra vao tonga eny amin'ny CED ny didim-pitsarana mandidy ny fanoratana anaty lisitry ny mpifidy dia tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana izay hanaovana ny fifidianana kaominaly ilay nanao fangatahana ka tsy afaka mifidy, ary ny didim-pitsarana tsy voadika anaty lisi-pifidianana dia tsy azo entina mifidy amin'ny andron'ny fifidianana. Ahazoana kara-pifidianana ny fahazoana didim-pitsarana mandidy fanoratana anaty lisi- pifidianana mialohan'ny faha 30 novambra ka eny amin'ny CED ihany no andraisana izany. Ny fomba fiasa eo anivon'ny CED amin'ny fanatanterahana izao naoty izao dia ho velabelarina anaty torolalana. Efa nisy moa ny antoko naneho ny ahiahiany mikasika io fanokafana indray ny lisi-pifidianana io sao sanatria misy ambadika politika hoenti-manome tombodahiny olona na vondron’olona na antoko ? Hitovy ve ny herijika ho an’ny rehetra amin’ny fahafahana mangataka an’ity « ordonnance » ity ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT