Politique

Oniversiten’Antananarivo Itsofohan’ny HVM koa ny fifidianana ?


  • Alarobia 06 Janoary 2016

Nanomboka ny alatsinainy lasa teo ary hifarana ny sabotsy izao ny fampielezan-kevitra mikasika ireo fifidianana fanavaozana ireo tompon’andraikitra eny amin’ny Oniversite.Havaozina avokoa ny tompon’andraikitra rehetra fa ny fanavaozana ny Filohan’ny Oniversite no tena mahaliana ny besinimaro

 

.Efa voaresaka teto ihany fa komitim-pifidianana tsy mahaleotena no mitantana izany fifidianana izany satria dia Ramatoa filoha lefitry ny Oniversite no filohan’io komitim-pifidianana io ary ny “Mpandrindra jeneralin’ny Oniversite “ no filoha lefitra. Tsy nisy fifidianana fa dia “note de service” avy amin’Andriamatoa sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika no nametraka azy teo.Izany hoe any amin’ny sehatra avo toy ny oniversite no hitsakitsahina ny demokrasia, satria ny fahefana mpanatanteraka ihany no mitantana ny fifidianana.. Miely moa ny resaka fa mamofompofona HVM  indray izao fihetsika hafahafa izao.Mahagaga manko fa efa velon-taraina tany amin’ny Ministera ny antokon’olona maro fa dia tsy nisy ny fiovana.Araka ny fantatra ihany koa ny lisitry ny mpifidy sy ny adiresy e mail hahafahana mifanerasera dia tsy manome mihitsy ity komtim-pifidianana ity rehefa hangatahana fa amin’ny 8 janoary hono vao azony omena, nefa ny fifidianana amin’ny 11 janoary. Manahy ny kandida sasany fa sao dia rafitra napetraka mba hanome vahana sy hampandresy kandida iray ity misy eny Ankatso ity. Mazava fa miditra tanteraka ao anatin’ny politika ity fifidianana ity ary hita taratra eny ihany ny kandidam-panjakana.

 

Rabri

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT