Politique

Omer Beriziky Manana lolompo amin'i Marc Ravalomanana ?


  • Zoma 04 Novambra 2011

Tsy vaovao amin'ny tontolo politika na dia endrika tsy mbola fahita matetika aza ny praiminisitra Omer Beriziky.

 Fitondrana telo nifandimby no efa nolalovany dia ny an'ny filoha Zafy, Ratsiraka ary Ravalomanana. Nisolotena an'i Madagasikara teo anivon'ny Vondrona Eoropeanina moa izy. Mahafantatra tsara ireo filoha telo nifandimby ireo koa izy, ary raha araka ny tsiliantsofina re dia anisan'ireo olona milaza fa manana alahelo amin'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, tantara tamin'ny 2006 tany.

Tsy fantatra mazava aloha izay tena antony fa raha araka ny re ihany dia toa teny “mahery” io. Atoa Ravalomanana rahateo efa iaraha-mahalala fa mahitsy fitenenana na iza na iza miresaka aminy, fa dia tsy mbola fantatra mazava aloha hatreto ny tena alahelon'Atoa Omer Beriziky aminy. Fa ny resaka mandeha ihany anefa dia efa nahafantarana fa tsy hanaiky an'i Marc Ravalomanana hiverina moramora eto izany ity praiminisitra ity, eny ireo tompon-kevitra tamin’ny nanolorana azy ho kandida praiminisitra koa aza. Midika ve izany fa resabe fotsiny ny hoe hiresaka sy hifampidinika amin'ny ankolafy Ravalomanana sy Ratsiraka. Dia mifandray amin'ny ahiahin'ny maro hatrany am-boalohany koa izany rehetra izany ny amin'ny hoe : praiminisitra afaka hampihavana marina ve i Omer Beriziky, ka hampihatra izay rehetra voasoratra anaty sori-dalana, izay efa nolazainy fa hany tokana mibaiko azy ! Raha araka ny tsiliantsofina re ihany dia vao haingana no nampahatsiahy tamin'ireo namany io tsy fahafaliany na lolompony amin'i Marc Ravalomanana io ingahy Omer Beriziky, ka dia ho hita indray ny ho tohin'ny tantara.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT