Nihazo an’i Burkina Faso omaly ny praiminisitra teo aloha Jean Omer Beriziky. Izy no notendren’ny vondrona afrikanina hitarika ny mpanara-maso ny ho fizotry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena any an-toerana ny alahady ho avy izao.
Nihaona tamin’ny mpanao gazety ity praiminisitra teo aloha ity ary naneho ihany koa ny alahelony amin’ny tsy fahatomombanan’ny fanomanana ny fifidianana loholona izay hatao eto Madagasikara ny 29 desambra ho avy izao. Tsy mety io fametrahana biraom-pandatsaham-bato isaky ny kaominina io, hoy ny nambarany, satria tsy voahaja intsony ny fahaleovantenan’ny mpifidy. Ho mora ny mamantatra izay vato halatsaky ny mpifidy, hoy hatrany ny praiminisitra teo aloha Jean Omer Beriziky. Tsy maintsy hifidy izay antoko atahorany ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina mba tsy hahitany fahasahiranana amin’ny fanatontosany ny asany. Manoloana izany toe-javatra rehetra izany dia nanambara ny hanoratra taratasy any amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny tenany mba hampahafantatra azy ireo ny toe-java-misy eto Madagasikara izay mifanohitra tanteraka amin’ny sata repoblikanina sy ny fanajana ny demokrasia. Atoa Jean Omer Beriziky dia kandidà hofidiana loholona any amin’ny faritanin’i Antsiranana amin’ny alalan’ny fikambanana Mamimad izay tarihin’Atoa Imbiky Anaclet, minisitry ny Fitsarana tamin’ny andron’ny Amiraly Ratsiraka.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.