Na dia tsy am-perinasa tanteraka aza fa mbola eo am-pamolavolana ny mety ho endriky ny governemantany ny praiminisitra Omer Beriziky dia efa tratry ny don-tandroka avy hatrany.
Mandeha sahady mantsy ny resaka fa nisy ny fivoriana manokana niarahan'ny filohan'ny FAT Andry Rajoelina sy Atoa Omer Beriziky, ary voalaza fa natrehana manamboninahitra jeneraly vitsivitsy ka nandritra izany, araka ny loharanom-baovao no nanomezana toromarika ny praiminisitra vaovao. Mizara telo mazava tsara ny toromarika.
Ny voalohany dia tsy mahazo miresaka irery mivantana amin'ny ankolafy Ravalomanana Atoa praiminisitra, tsy azony atao ihany koa ny manao fanambarana momba ny raharaham-pirenena amin'ny ankapobeny indrindra fa ny resaka politika. Ny toromarika farany dia tsy azony atao ny miresaka ilay andininy faha-20 ao amin'ny sori-dalana momba ny fodian'ireo sesitany politika. Tsy hiresaka firy amin'ny mpanao gazety sy hilaza ny heviny momba ny fiainam-pirenena mihitsy izany ity praiminisitra ity. Izay aloha ny zava-misy raha araka ny tsiliantsofina fa tsy fantatra kosa izay tena ho fomba fiasan'ny praiminisitra Omer Beriziky. Vantany vao voatendry mantsy izy dia nanambara tamin'ny mpanao gazety fa vonona ny hiresaka amin'ny ankolafy Ravalomanana izay nitsipaka ny fanendrena azy.
Ny manaitra amin'ity resaka ity ihany koa dia ny nanatrehan'ireo manamboninahitra jeneraly ny fihaonan'ny filohan'ny FAT sy ny praiminisitra. Inona no fonoson'izany, tsindry bokotra ve sa ahoana ? Mazava izany aloha ny resaka eto fa miasa ao anatin'ny tsindry sy faneriterena avy amin'ny FAT ny praiminisitra Omer Beriziky ka asa na hanao ahoana ny mety ho endriky ny governemanta tarihany eo, ho governemantan'ny fampiraisam-pirenena tokoa ve sa ho governemantan'ny akamakama ? Fa etsy ankilany, raha izao no fipetrany dia tandindomin-doza sahady ny tondrozotra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.