Politique

Olon’ny Fitondrana volomboasary Efa ratsy toerana, mbola mihetraketraka ihany


  • Alatsinainy 12 Jona 2023

Nisesisesy ny fanehoan-kevitra sy fihetsika na kabary miendrika fandranitana, fiantsoana mivantana na ankolaka herisetra sy fisaraham-bazana,

fandrangarangana hery fa tsy maintsy mandresy,… nataon’ny olon’ny Fitondrana volomboasary tato ho ato. Raha fotoana heverina fa tokony hitandreman’ny Mpitondra ankehitriny izao, dia toa ny mifanohitra amin’izany no mitranga satria arakaraka ny maha ratsy toerana azy ireo no vao mainka misy mandrehitra afo izany. Niteraka fahasosorana ny kabarin-dry Depiote Jocelyne Rahelihanta niendrika fanavakavahana ara-poko sy fihaviana tamin’ny hoe: “mipodiana ianareo, tsy ianareo boaka atimo any no ankadala anaty aty Avaratra”. Nisy ihany koa ny kabary niantso fitsaram-bahoaka nataon’ny Filohan’ny Vondrona Parlemantera IRD tany Port Berg Depiote Velontsara Paulbert, ankoatra ny fanaratsiana ranoray an’i Marc Ravalomanana sy Siteny Randrianasoloniaiko. Nitohy tamin’ny fandravana fananan’olona niteraka adihevitra hoe: tena zo sy fahefan’ny depiote ve ny mandrodana trano na tambohon’olona? Tahaka izany ihany koa ny tranga tany Vohibato izay ny kolonely Martin depiote IRD no voatonontonona hatreny amin’ny fitsarana ho nanome vahana ny fitsaram-bahoaka nahafatesana olona telo. Nipoitra ihany koa ny fanehoan-kevitry ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena momba ny fananganan-tsaina, izay niteraka adihevitra sy fanakianana maro samihafa satria nosokajiany ho tsy tia tanindrazana sy fahavalom-pirenena izay manentana ny olona tsy hanangan-tsaina. Ankoatra ireny, ny depiote Naivo Raholdina fa efa nanitrikitrika fa azo antoka 500% ny ho fandresen-dRajoelina fa ny hahazoana azy ao anatin’ny fihodinana voalohany sisa no tanjona,… Mbola nohamafisin’ny Mpanolontsaina ara-politikan’ny Filoham-pirenena Atoa Soja Jean André na Kaleta ihany koa fa: “Rajoelina tsy maintsy mandresy na tianao na tianao", ... Ny Filoham-pirenena moa matetika no milaza mivantana na ankolaka fa tsy maintsy mandresy. Mbola vao aty amin’ny ankatoky ny fifidianana dia efa mandeha ny gafigafy sy hetraketraka politika atao amin’ny mpanohitra, ny fanenjehana sy fanagadrana,… Mieritreritra ho tena mbola ao anatin’ny tanjaka ve ny Fitondrana ankehitriny eo anatrehan’ny tsy fahombiazany kanefa ny ao anatiny aza no efa misy miampanga azy? Taratr’izany ny fisintahan’ny olom-boafidy sasany izay manatsikafona tanteraka ny fitondrana napetrany, ny krizin’andrim-panjakana hita taratra eo amin’ny Antenimierampirenena sy ny goveremanta, ny fitantanana ny raharaham-panjakana mikorontana raha tsy hilaza afatsy io resaka tetibolam-panjakana io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT