Politique

Olon’ny fitondrana be afera Efa tena ambonin’ny lalàna…


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2022

Efa tena ambonin’ny lalàna ny ankamaroan’ny olon’ny fitondrana ankehitriny, mandrefy ny fitsarana sy ireo rafitra miady amin’ny kolikoly, manararao-pahefana sy misalovana ny fahefan’ny hafa mihitsy,

raha tarafina amin’ny zava-miseho sesilany. Inona anefa no andraikitra raisin’ny filoha sy izay tokony handray fanapahan-kevitra momba ireny? Sa efa tena voarefy sy voageja tsy afa-manoatra ka na maloto sy mihosom-potaka aza ilay Fitondrana iafiana? Sa kosa efa tena kopaka isasahana avo lenta satria efa ho lany ny paiso an-kady, ho tapitra fe-potoana hiasana ka samy mangorona izay azony? Nalaza ny faran’ny herinandro teo fa tsy namaly ny fampanantsoan’ny Bianco azo ny depiote Lanto Rakotomanga izay voarohirohy amin’ny fandripahana hazo sarobidy ankoatra amin’ny fisandohana andraikitra tamin’ny famoahana fahazoan-dàlana hitatitra hazo. Tsy vao sambany ny toy izao, fa tsaroana ihany koa ny fanesoran’ny Minisitry ny fitaterana Atoa Roland Rajatoelina an-dRtoa Rinah Rakotomanga tsy ho solontenan’ny Minisiteran’ny fitaterana tao anatin’ny Air Madagascar izay niova ho Madagascar Airlines fa toa tonga tany amin’ny hoe: izay iray isika drodroka! Ampahany ireny, fa betsaka ny endrika isehoan’izany, saingy ho an’ny olon’ny fitondrana dia toa tsy ny lalàna intsony no mifehy azy, fa ny lalàna no natao ho feheziny. Raha tsy izany ve ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena hilaza hoe: izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT