Olon’ny CENI ao Faratsiho henjehina

Sady mampiditra no mamoaka ny CENI Foibe…


  • Zoma 14 Jona 2024

Nitondra ny fijeriny manoloana ny raharaham-pifidianana any Faratsiho izay misy fanenjehana

tompon’andraikitra avy amin’ny Rantsa-mangaikany ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI, tamin’ny alalaln’ny Mpampaka-teniny Atoa Soava Andriamarotafika omaly. « Misy ny tompon’andraikitra avy amin’ny rantsa-mangaikan’ny CENI any an-toerana dia ny mpiandraikitra ny haitao ara-kajy mirindra izay voarohirohy amin’ny raharahan-keloka, na fiampangana, na fanenjehana. Nilaza ho manao ho zava-dehibe ny fiheverana ny asan’ireo rantsa-mangaika ny CENI Foibe. Manara-maso akaiky hatrany amin’ny rafitra ambany, ka tsy manamaivana ny tranga izay miseho any Faratsiho. Nambara fa nandrasaisana fepetra ity olona CENI izay voarohirohy ity. Na izany aza, nolazaina fa tsy mitsabaka ny raharaham-pitsarana. Manome toky ny rehetra fa ny CENI Foibe dia manara-maso ny fanatanterahana ny asa anirahan’ny lalàna. », hoy io Tompon’andraikitra io. Manao fitan-droa sy firesaka roa ka sady mamoaka no mampiditra ny CENI satria tsy te ho ratsy rehefa zohiana, ka andaniny dia nanamarika ity mpampaka-teny ity, fa efa naka manam-pahaizana manokana momba ny lalàna dia ny mpisolovava hiaro azy amin’ny dingana rehetra handehanan’ny raharaha ny CENI foibe. Andaniny, nilaza ho tsy mijery arina an-tava sy manolo-bato mafana raha misy sanatria ny solafaka na mandika ny lalàna velona dia tsy miaro an’izany ny CENI fa amin’ny Fanjakana tan-dalàna dia ny fitsarana ihany no manana ny fahefana handanjalanja sy hametraka ny maha zava-dehibe ny fampiharana azy. Tsy tena te hiditra lalina na manana fijery raikitra izany ny CENI hoe : madio na maloto ny olona notendreny tao Faratsiho, fa dia arakaraka ny fitsoaky ny rivotra sy fahitan’ny fitsarana azy eo rehefa zohiana. Hita taratra amin’io raharaha Faratsiho io ny politika avo lenta, izay hoentina handrarahana ny kandida nandresy ny minisitra teo aloha izay resy vonjimaika, raha ny fanehoan-kevitra samihafa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT