Politique

Olon`ny Hasin`ny Tany Hanampy tosika an`ireo depiote ho an`ny fanavotana


  • Zoma 27 Aprily 2018

Manoloana ny toe-javatra misy eto amin’ny firenena ankehitriny dia mijoro ny fikambanana Olona Hasin’ny Tany (OHT) ary milaza fa handray andraikitra amin’ny fanavotana ny firenena. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra rehetra sy ny mpiantsehatra amin’ny raharaham-pirenena mba tsy hisian’ny korontana mety hiteraka olana hanavesatra ny fahasahiranan’ny Vahoaka Malagasy ny OHT.

 

 Manohana kosa ny tolom-panavotana ataon`ireo solombavambahoaka ankehitriny ary mangataka an`izy ireo tsy hihemotra intsony. Nanambara Atoa Emile Ratefinanahary fa niaritra ny Malagasy nandritra ny dimy taona ary fotoana hampisehoany ny safidiny amin`izay kanefa toa namboly korontana ny antoko HVM sy ny forongony satria mitady handresy fifidianana eny ambony latabatra. Nahoana no tonga amin`izao ny toe-draharaham-pirenena taorian`ny fiverenan`ity firenena ity tao anatin`ny ara-dalàna, hoy hatrany ity mpanao politika ity. Maro ny zavatra nitranga tamin`ity fitondrana ity toy ny fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana, ny kolikoly avo lenta, ny fanomezana ny tany ho an`ny vahiny, tsy fanarahan-dalàna amin`ny fitantanana, indrindra ny fanitsahana ny zo fototra izay fahafahan`ny tsirairay hahalala ny zava-misy. Vonona sy hampanjary ny tolona izay ady iombonana ho an`ny Malagasy ny OHT. Mahakasika ny fidiran`ny iraisam-pirenena amin`ny raharaham-pirenena, mitsipaka marindrano izany ny mpikambana. Marina fa i Madagasikara dia mivondrona ao anatin`ny vondrona iraisam-pirenena saingy tsy nahavaha olana hatrizay, hoy Raharisaina Hery. Tokony hanaraka izay fanapahan-kevitry ny Malagasy izy ireo eo anivon`ny SADC fa tsy izy ireo indray no hitondra avy any hoe ataovy fanjakana miara-mitantana, fifidianana ``ni.. ni…`` Io ``ni… ni…`` ihany no nahatonga fifidianana sadasada teto Madagasikara. Ny anjara asan`ny SADC dia tokony hanafaingana ny fialan`ny filoham-pirenena mba tsy hisian`ny krizy raha tonga amin`izay ny fitakiana araka ny nambarany. Mijoro hatrany ny OHT mba hamelona ny fanantenan’ny Malagasy mpiray tanindrazana aminy fa tsy lany olomanga akory i Madagasikara satria mbola manana olona nanao velirano sady hanao ny ainy tsy ho zavatra hiarovana ny vahoaka malagasy sy ny voninahitr’i Madagasikara. Efa tena latsaka an-katerena loatra ny firenena noho ny politika maloto sy fisian’ireo mpanao politika mersenera ka mijoro hitondra fanavaozana ny OHT izay manomboka mametraka ny rafitra hiasany ankehitriny.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT