Politique

Olom-boatendrin-dRajoelina Miseho tsikelikely ny adalan’ireo governora sy ny ekipany


  • Alatsinainy 05 Septambra 2022

Nanomboka tany amin’ny resaka fihetsika mamoa henatra nataon’ny governoran’Alaotra Mangoro tamin’ireo mpiara-miombon’antoka Frantsay avy any Ille-et-Vilaine izay vao nalana amin’ny toerany farany teo no nanomboka

nitohivakana ny ampamoaka momba ny ataon’ireo governor sy olon-kafa ambany fifehezany. Taorian’io dia niaraha-nandre indray ny fisiana fanamparam-pahefana nataon’ny talen’ny kabinetran’ny governoran’I Melaky izay namoaka an-keriny ny mpamiliny notazonina tanaty biraona mpitandro filaminana iray. Nametra-pialana moa ity tomponandraikitra ity taorian’izay, raha ny fampitam-baovao farany voaray. Ny sabotsy teo indray dia voalaza ho nanao fihetsika feno fandrahonana sy fandraisana vozon'akanjo ny filohan’ny mpianatra Amoron’I Mania koa ny mpikamban’ny kabinetran'ny governor ao amin’ny faritra Amoron'i Mania. Nandray fanapahan-kevitra moa ny fikambanan'ny mpianatra Amoron'i Mania na FI.MPI.A.MANIA fa manameloka tanteraka izao fihetsika atao amin’ny mpianatra izao. Iny fa nipoitrakoa, mbola ny sabotsy teo ihany koa, ny dosie momba ny fandaniana fahanana “credit” mitentina 83 tapitrisa Ariary be izao hoe lanin’ny governoran’I Melaky fotsiny nandritry ny volana jolay ihany anefa. Isany koa ny hoe mananika ny 200 tapitrisa Ariary no lany tamin’ny solika. 65 tapitrisa Ariary isam-bolana no voalaza fa totalin’ny karaman’ireo mpiasa nefa tsy misy tetikasa mandeha amin’izay laoniny. Samy miezaka miaro sy manadio ny tenany moa ireo tomponandraikitra niharan’ireo ampamoaka tamin’ny herinandro rehetra ireo ka dia andrasana tokoa, araka izany, ny valin’ny fanadihadiana ofisialy. Hatreto aloha izany, raha ny mikasika ireo governora sy ny tontolony no ambara, dia miharihary ny tsy maha anaty lalampanorenana azy ireo, raha mitombona tokoa ireo ampamoaka rehetra ireo.Ny tsapa ihany koa dia tsy manana tahotra vahoaka ireo olom-boatendry sasany ary mihevitra azy ho Andriamanitra kely mihitsy angamba.Izay no maha zava-dehibe an’ilay hoe aleo fidiana fa tsy tendrena sy soloina lava isaky ny manao adalana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT