Olom-boafidy fotsy varavarana

Porofon’ny tsy fahatomombanan’ny


  • Alarobia 10 Jona 2026

fitsinjaràm-pahefàna Ben’ny tanàna amina

kaominina lavitr’Antananarivo, mety tsy anaty faritra Analamanga akory, nefa dia hita matetika, saika isan’andro mihitsy mivezivezy manao fitadiavana eny Andravoahangy na eny Isoraka na etsy Anosy. Depiote tsy mahita ny distrika nahalany azy raha tsy isam-bolana na isaky ny fety ihany na isan-taona mihitsy. Tranga tsy vao hita androany izany fa saika hita hatrany nandritr’ireo repoblika nifandimby teto amin’ity firenena ity. Ireo kaominina ambanivohitra sy ireo distrika heverina hoe lavitr’andriana no tena tsikaritra fa matetika ahitàna izany. Tranga tsikaritra ho toa tsy nahabe adihevitra loatra hatramin’izay nefa dia heverina fa porofon’ny tsy fahatomombanan’ny fitsinjaràm-pahefàna teto amin’ny firenena ihany koa. Tsy mahavelona ve ny asa maha ben’ny tanàna dia mila mitady fidiram-bola hafa sa fanaovana tsinontsinona vahoaka tsotra izao? Ahafahana mampandroso kaominina ve ny fomba fiasa toy izany? Afaka misolo vava ny vahoaka na mitatitra ny marary ny vahoakany araka ny tokony ho izy ve ny solombavambahoaka tsy ampy fidinana ifotony any amin’ny distrikany akory? Tena fialàn-tsiny azo ekena ve ny resaka faharatsian-dalana? Isan’ny fanontaniana manitikitika izany. Raha ny tarehimarika namaritàn’ny minisiteran’ny atitany azy farany ny taona 2015 moa dia miisa 1693 ny kaominina eto Madagasikara. Mitsinjara anatina distrika miisa 119 ireo ary faritra miisa 23, raha ny fanisàna voaray farany hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT