Politique

Olivier Rakotovazaha Nijoro ho vavolombelona


  • Alarobia 02 Novambra 2011

Anisan’ireo nangataka ny hihaona manokana tamin’i Marius Fransman, minisitra lefitra afrikanina tatsimo misahana ny fiaraha-miasa, sady lehiben’ny iraky ny Troika-SADC handamina ny krizy eto, ny ankolafy Ravalomanana ny zoma lasa teo, nialoha ny hanendrena ny praiminisitra.

 Efa niatrana teny amin’ny hotely Colbert ihany koa ireo masoivoho vahiny miasa eto Madagasikara. Somary tara ihany anefa vao tonga teto Madagasikara i Marius Fransman. Nisisika ny hihaona mialoha ny Ankolafy Ravalomanana amin’i Fransman ny ambasadaoro frantsay miasa eto, Jean Marc Chataigner. Nitondra anaran’olona tokony hotendrena praiminisitra ny lehilahy, araka ny fanazavan’i Olivier Rakotovazaha izay nanatri-maso teny an-toerana. Anarana izay tsy avy amin’ny Ankolafy 3, raha ny fanazavana ihany. Mazava anefa ny resaka fa raha mitady izany tsy fombana ny atsy na ny eroa izany isika, dia tsy tokony hitovy firehana ny mpitantana ny fahefana mpanatanteraka. Nanahirana an’ingahy Chataigner izany tsy fiovan-kevitry ny Troika izany, ary dia nampisendaotra azy mihitsy. Araka ny filazan’ny Sekretera jeneralin’ny MFM àry dia rehefa tsy nahita ravinavaratra tamin’ingahy Fransman ingahy Chataigner dia nivoaka ny efitrano ka nanatona an’i Mamy Rakotoarivelo, lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana nanangan-tsandry taminy. Tsy nanaiky lembenana i Mamy Rakotoarivelo, hoy Rakotovazaha. Rehefa vita moa izay tiany natao dia mody niala tsiny tamin’ny Sekeretra jeneralin’ny TIM ity diplaomaty frantsay ity.

Rehefa vita izany rehetra izany, avy hatrany dia samy namonjy teny Iavoloha ny rehetra. Teo anelanelan’izay, nandeha ihany ny adihevitra niarahan’i Andry Rajoelina sy Fransman satria ilay anarana nentin’i Chataigner no notakian’ny filohan’ny FAT hapetraka ho praiminisitra. Tsy nanaiky izany anefa ny Troika. Adiny efatra be izao ny fifandaharana tamin’izany, raha ny fanazavana ihany ka iny niafara ho tamin’ny 11 ora alina iny vao tafavoaka ny anarana. Rehefa nivoaka ny anarana dia nahazo toromarika avy amin’Atoa Marc Ravalomanana, filohan’ny ankolafy, ny delegasiona teny Iavoloha. Araka ny fanazavana mantsy dia tsy nanaja ny sori-dalana ny fanendrena ny praiminisitra satria olona avy amin’ny vovonana miara-dia amin’i Andry Rajoelina ihany no notendrena, tsy tao koa ilay hoe “consensualité”. Rehefa tonga tany Afrika Atsimo ny resaka tamin’iny fotoana iny ihany, araka ny tatitra nataon’i Olivier Rakotovazaha, dia hagagana no nasetrin’ny filoha afrikanina tatsimo izany satria tsy tratra ilay “consensualité” sy ny fanajana ny sori-dalana.

Vokany, nihaona ny filoha roa lahy ny alatsinainy lasa teo hijerena izay dingana hatao manaraka. Araka izany, hoy ny Sekretera jeneralin’ny MFM dia miandry izay toromarika avy amin’ny filoha ny rehetra. Tarigetra ny fampiharana ny andininy faha-20 ao anatin’ilay sori-dalana, dia ny fodian’ireo sesitany politika rehetra, tsy misy fepetra, ao anatin’izany ny filoha Ravalomanana, hiveranana haingana amin’ny ara-dalàna. Nanentana ireo mpiara-dia aminy ny tenany mba hitsangana, tsy hanaiky lembenana amin’ny fampiharana io sori-dalana io ato anatin’ny fotoana fohy ka niantso firaisankina satria tsy hijanona ny tolona raha tsy tafaverina eto Ravalomanana. Ankoatra izay, nambaran’i Olivier Rakotovazaha ihany fa “ny tenin’ny Troika no tenin’ny SADC ary izay tapaky ny Troika izay tarihin’i Afrika Atsimo no arahin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Koa raha tsy afa-po tamin’izay nitranga ny zoma lasa teo ny Troika dia tsy hisy izany fankatoavana iraisam-pirenena izany”.

Nangonin’i Soa

Sary : Olivier Rakotovazaha, Sekretera jeneralin’ny antoko MFM

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT