Tokony hisy filoha lefitra fahafito avy amin’ny fanoherana ao amin’ny antenimieram-pirenena, hoy ny loholona Olivier Rakotovazaha.
Araka ny fanazavana koa, dia maro ny zavatra tsy mazava tamin’ny volavolan-dalàna mikasika ny fanoherana izay nolanin’ireo solombavambahoaka teny amin’ny lapan’i Tsimbazaza. Maro ihany koa ireo fanontaniana mipetraka momba io lalàna mifehy ny mpanohitra io, satria tsy ampy ny fotoana nandinihana sy nandanian’ireo depiote azy, hoy hatrany ity loholona ity. Izany no mahatonga ireo loholona tsy mbola nandany io volavolan-dalàn’ny fanoherana io, fa mbola dinihana tsara fa ho lanian’izy ireo amin’ny fivoriana manaraka ho avy eo io lalàn’ny mpanohitra io. Araka ny fanazavany hatrany, mila dinihana tsara io fa tsy atao maimaika ny fandaniana azy.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.