Politique

Olana ara-politika Mamotika hatrany ny toekarena


  • Alarobia 25 Aprily 2018

Maro ny mpivarotra nanakatona ny tsenany nandritra iny sakoroka nisy teny Analakely iny. Na ireo mpivarotra majinika na ireo manana magazay lehibe dia nandray fanapahan-kevitra ny tsy hivarotra noho ireo toe-java-misy teny an-toerana.

Ny ankamaroany aza moa dia ny alakamisy vao mieritreritra ny hivarotra ary tsy mbola hisokatra raha tsy milamina ny toe-draharaha.  Iaraha-mahalala fa ireo vahiny mpampiasa vola eto amintsika no tena maro mivarotra eny amin’iny faritra manodidina an’Analakely iny. Na izany aza dia tena betsaka ireo Malagasy mivelona amin’ny isan’andro no tsy nahita harapaka noho iny tranga nisy tetsy Analakely iny. Efa fantatra tsara ny voka-dratsin’ireny krizy politika nisesisesy ireny ary tena mamparefo hatrany ny  toekaren’i Madagasikara. Mihena avy hatrany ny vola miditra ary manataraiky ny fampiasana sy fanodinam-bola amin’ny ankapobeny ireny zavatra ireny. Mety hiantraika hatrany amin’ny harinkarena faobe mihitsy raha mitohy lavareny ny krizy politika sahala amin’ny misy eto amintsika. Mila vahaolana maika sy fifandeferana amin’ny mpanao politika ny toe-draharaha misy ankehitriny fa tsy mbola hiziriziry amin’ny fitiavan-tseza sy ny fitiavan-tena ihany. Raha tsy mampandefitra ny hambom-pony ny mpitondra dia hitsotsorika hatrany ny toekaren’i Madagasikara izay tena efa latsaka ambany.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT