Politique

« Océan indien, zone de paix » Notsipahan'i Angletera, Etazonia ary i Frantsa


  • Alakamisy 10 Desambra 2015

Notsipahan'i Angletera, Etazonia ary i Frantsa, ny alatsinainy maraina teo tao amin'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana, ny fehin-kevitra manao an'i Oseana Indiana ho faritry ny fandriampahalemana.

 

Nalaza tamin’ny fitondran-dRatsiraka faha Repoblika faharoa izany, « Océan indien, zone de paix » izany. Tsy hilamina mihitsy anefa izany ny Oseana Indiana satria tsy manaiky ny goavana. Mazava amin’izao ihany koa fa miray hina foana ny vaventy rahefa ny tombontsoany no voakitika. Ny Malagasy etsy an-daniny na ho ritra aza ny paiso an-kady (boaderôzy, volamena, safira...) tsy mbola tonga saina ny hiray hina hatrany. Marihina fa samy manana toby famaharana ara-miaramila tsy ara- dalàna aty amin’ny Oseana Indiana ireo firenen-dehibe ireo, raha tsy hiteny afa-tsy i Etazonia izay manana ny azy atsy Diego Garcia, ny Frantsay manana ny azy ao amin’ny Nosy Vakana. Dia tsy afa-mihetsika ny kely hery fa didin'ny be sandry ny diplaomasia.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT