Ankohonana miarina. Izay indray no voambolana vaovao ana tetikasa
nipoitra amin'izao fanombohan'ny fotoam-piasana 5 taona faharoa ho an'ny fitondrana Rajoelina izao. Omena fiofanana amin'ny fambolena, fiompiana, fitantanam-bola, omena trano ireo ankohonana mba ahafahany mihary sy mamokatda ary mandresy ny fahantrana. Mialohan'io dia efa nisy ny tetikasa fihariana, hoe hanampiana ireo tanora ka nisy fanomezana tohana ara-bola, omby vavy be ronono, tany sy trano. Asa hoe ny firy isan-jatony no nahitana tombony. Efa natao teto ny tsena mora, trano mora, vary mora, fosika fameno, nasiana hatramin'ny fisarihana, tombola, fanomezana loka fa izao iaraha-mahifa izao ary tena iainana isan'andro ny fahantrana. Dimy taona izany tahaka ny hoe very fotsiny, na teo aza ny valanareina Covid 19, izay naneran-tany, nahoana no tafarina haingana ny firenen-kafa fa i Madagasikara izay nahazo fanampianaara-bola hatrany amin'ny 1,2 miliara dolara no nihemotra.
MITSAPATSAPA AVY EO MANOVA
Novaovaina isan-taona ny governemanta fa inona ilay tena vita nisongadina, aiza ny tetikasa Tanamasoandro, ahoana ilay Autoroute Antananarivo Toamasina, nahoana no ampahany ihany no asa natomboka amin'ny RN13, dimy taona ve dia tsy nahita vahaolana mihitsy momba ny jirama sy ny fampitomboana ny famokarana angovo.Niitatra any amin'ny famatsian-drano indray ny olana. Misy akony ratsy amin'ny indostria, ny orinasa sy ny famokarana io olan'ny herinaratra, haratsian'ny lalana, kanefa midangana ny hetra aloa io. Tsy misy lalan-kafa afa-tsy ny famokarana sy fanodinana ny vokatra ary fitsinjarana ara-drariny ny harena misy eto no hahatafavoaka an'i Madagasikara. Famokarana sady mamelona isan'andro no vokatra mitodika amin'ny tsena anatiny sy ivelany fa tsy hoe ilay tantsaha aza mila tsy hahavelona ny tenany mandritra ny taona. Fa nitsapatsapa fotsiny ve izany tamin'ilay 5 taona voalohany nanao ilay IEM, no izao vao hoe hampitomboina ny voka-bary, ho jerena kokoa ny lafiny sosialy, ampiana ny tantsaha.Raha natomboka ny taona 2019 anefa izany efa tena azo antoka fa nahazoam-boka-tsoa .
TAITAITRA FA TSY MANANA PAIKADY
Famokarana izay noresahana izay, fa ny hoe fandriampahalemana, zava-doza eto..mandeha ny halatra voamaso, tonga indray ny fanapahan-doza.Ny zava-domelina mahery vaika tena miparitaka, maro ireo lasa mivarolavo sy manaotao foana. Fa nahoana no mitranga izany ? Dia tena tsy hita mihitsy ve ny hisorohana ireny sa misy matretre tompon'ny afera ao ka sarotra ny mikitika azy ? Sehatra iray azo trandraha a tsara hampidi-bola be ho an'i Madagasikara nu fizahantany saingy mikatso satria tsy milamina ny tany, ratsy ireo foto-drafitrasa, lafo ny "destination Madagascar", bokan-trosa ary ratsy laza ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka eto. Tsy ampy isa sy traikefa ny mpisehatra amin'ilay fizahantany. Izany rehetra izany dia vokatry ny tsy fanana politika sy paikady mazava fa taitaitra manao zavatra fotsiny. Maika haka tahaka fa tsy mahay manandratra ny an'ny tena. Tena mila fanavaozana ny saina sy ny fomba fiasa mihitsy fa tsy vitan'ny mandrafitra tetikasa fotsiny raha tena te hiroso
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.