Ny Rado Rafalimanana

Manahirana ny Fitondrana Rajoelina indray…


  • Zoma 21 Febroary 2025

Tanterahina anio sy rahampitso ao amin'ny Casablanca Marriott Hotel any Maroc ny andiany

faha-14 amin'ny African Leadership Magazine Persons of the Year (POTY). Voatendry ho African Political Leader of the Year 2024 ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina. Nisy vaovao samihafa milaza fa hiazo an’i Maroc izy handray ny amboarany. Ankoatra azy, voasafidy ihany koa i Ny Rado Rafalimanana, Filoha mpanorina ny Nyrado Group Madagascar S.A, ho mpandresy amin'ny sokajy African Leadership Entrepreneur Impact Award 2024. Nambarany fa tamin’ny fiandohan’ny taona 2025 no nahazoany fanamafisana ofisialy avy amin’ny African Leadership Organization Magazine. Efa nanaiky handray izany tany Casablanca izy raha mbola tany Inde, ary nahazo visa haingana avy amin'ny Masoivoho Maraokana tao Antananarivo. Na izany aza, nanapa-kevitra i Ny Rado tsy hanatrika ny lanonana, manome lanja kokoa ny fanampiana ireo traboina noho ny tondradrano tao Antananarivo, raha ny filazany. Niharan’ny fanaratsiana sy fanendrikendrehana ho mpisoloky i Ny Rado amin’io resaka amboara io, saingy nanambara mazava izy fa mandà sy manameloka tanteraka izany fanalam-baraka izany ka handray fepetra ara-dalàna na eto an-toerana na iraisam-pirenena. Nanamafy fa efa nisintaka tanteraka amin'ny politika nanomboka tamin'ny 2024 mba hifantoka amin'ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy. Nisy fifanakalozan-kevitra an-tambajotra WhatsApp niparitaka izay voalaza fa resaka nataon’ny Tompon’andraikitra ambony iray eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika, manontany an’i Ny Rado hoe fantany ve fa ho avy amin’ilay lanonana i Andry Rajoelina sa tsia. Nitsikera izy fa toa manambara ny hafatry Ny Rado fa tsy manome lanja ireo tsy manan-kialofana ny Filoham-pirenena amin’ny fandehanany any Maroc. Nambarany anefa fa ny fitiavany sy ny firaisankinany amin’ireo tra-boina no nanosika azy tsy handeha, fa tsy fihetsika manevateva ny hafa, raha ny hita tao anatin’ilay resala. Heverina ho nanahirana ny Fanjakana ny serasera nataon’i Ny Rado Rafalimanana. Nikoropaka ny tany an-dapa ka izay no nahatonga ny Filoham-pirenena nidina tampoka teny Anosizato omaly nizara fanampiana ho an’ireo traboina ? Nahoana no omaly vao nanao izany nefa efa 5 andro no nisian’ny traboina? Midika ve izany fa fihetsiketsehana mialohan’ny hiazoana an’i Maroc mba hanaronana ny serasera mamely any am-parahatoka nataon’i Ny Rado Rafalimanana? Andrasana hoe : handeha tokoa ve i Andry Rajoelina sa haniraka olona hafa haka ny lokany tahaka ny nataon’i Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2017 rehefa nahazo ny African Leadership Magazine Persons of the Year 2017 ? Hifoha indray ny fanenjehana an’i Ny Rado Rafalimanana tahaka ny nitranga ny febroary 2020 taorian’ny sakantsakana rehefa nikasa hizara fanampiana ho an’ny traboina?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT