Ny Rado Rafalimanana

> Hanolo-tanana an’ny Dr Robinson Jean Louis


  • Alatsinainy 25 Novambra 2013

Ny nivoahan’ny valim-pifidianana fihodinana voalohany no ela dia nilaza ny heviny manodidina ny fifidianana ny fikambanana “Ny Fanahy Maha Olona”, tarihin’ny Ny Rado Rafalimanana.

Masina ny safidy izay natao tamin’ny 25 oktobra 2013 ka tokony hohajain’ny rehetra. Ny safidin’ny maro an’isa mira feon’ny vahoaka, hoy ny fanambarana navoakany ny zoma 22 novambra. Naneho ny Malagasy fa mangetaheta fiovana sy fahalalahana ary maniry fampandrosoana eo amin’ny tontolo misy azy ireo. Mangataka fanjakana tan-dalàna mametraka vahoaka sambatra am-po sy sambatra ara-batana ary ara-panahy ihany koa ny fahatongavan’ny mpifidy maro tamin’iny fotoana iny, hoy i Ny Rado Rafalimanana. Hiatrika ny fihodinana faharoa isika amin’ny 20 desambra izao ka hanendry izay ho filohan’ny Repoblika Malagasy ho amin’ny dimy taona ho avy. Filoha hanatanteraka ny safidy sy ny fanirian’ny Malagasy, Filoha hitondra fitoniana, Filoha hametraka fampihavanana sy ny soatoavina Malagasy, Filoha hanova ny ratsy sy ny tsy nety ka hitondra ny firenena ho any amin’ny tsara. “Ny kandidà Dokotera Robinson Jean Louis no tsapako fa hitondra fanafody ho an’ity Tanindrazana iombonantsika ity. Ny kandidà Dokotera Robinson Jean Louis no hitako fa afaka hanatanteraka ny hetahetan’ny Malagasy”. Etsy an-kilan’izay dia nanamafy i Ny Rado Rafalimanana fa hitondra ny anjara birikiny eo amin’ny lafiny ara-toekarena. Hotontosaina amin’izany ireo “Plan Marshall”.

Nangonin’i JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT