Ny olona nilaza hanova tamin’ny 2009

«Vao mainka nampilentika an’i Madagasikara»


  • Talata 11 Febroary 2025

Andao haverina amin’ny hasiny ny politika sy maha mpanao politika eto Madagasikara,

hoy ny antoko politika Maeva! Raha io seza io na io vola io na io voninahitra io, hoy ny filohan’izy ireo, Mamy Raharimanana, no mibahana voalohany am-po sy saina ary fanahy hanaovao politika tonga dia mijànona! Izany no mahatonga ny olona tsy hifidy intsony. Inona izao no tena praograma maty paikan’ny mpitondra ankehitriny hanarenana ny firenena? Fotodrafitrasa izany tsy maintsy atao na hoe «fonction régalienne» ka aza ireharehana! Tokony hisy fanavaozana ifotony mihitsy ny fanaovana politika eto Madagasikara! Jereo ny famaritana ny atao hoe politika ao anaty rakibolana! Rehefa tsy hainao ny famaritana ny atao hoe politika dia aza manao politika valifaty fa tsy mety! Ny olona nilaza hanova tamin’ny 2009 izao vao mainka nampilentika an’i Madagasikara hatramin’izao 2025 izao! Tsy nisy vokany ny tolona tamin’ny 2009. Tsy nisy niova fa vao mainka aza zava-doza! Talohan’ny 2009 niakatra ny harinkarena fa izao tena nidina. Farany mahantra eran-tany isika. Izay no hanentanana hoe aleo hajanona daholo ny lonilony politika dia mifampiresaka isika rehetra fa izany no atao hoe olom-panjakàna na «homme d’état» sy manana jery lavitra ho an’i Madagasikara, hoy hatrany ity antoko politika ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT