Ny mpanabado indray no mampitandrina

Aza manaiky habadoina isika, hoy Rajoelina


  • Alatsinainy 18 Aogositra 2025

Efa fanabadoana rahateo ny fahenoana ny filoham-pirenena malagasy,

Andry Nirina Rajoelina, mampitandrina ny vahoaka amin’ny fanabadoana, raha nilaza hoe «Aza manaiky hakiviana sy habadoina isika!», hoy ireo mpisehatra ara-politika sy toekarena malagasy naneho ny heviny ny faran’ny herinandro teo. Iza nefa no tena manabado ny malagasy, hoy ny fanontanian’ny filoha lefitra faha 7 na filohan’ny mpanohitra eo anivon’ny antenimieram-pirenena, Siteny Randrianasoloniaiko? Rehefa miteny hoe “fampandrosoana”, hoy izy, nefa trosa no entiny miaina isan’andro, tsy misy asa mivaingana ho hita, iza no manabado? Rehefa mampanantena 50 distrika ho voasolo «panneau solaire» na angovo avy amin’ny masoandro ao anatin’ny 6 volana nefa 5 taona aty aoriana tsy hita, iza no manabado? Rehefa milaza fa fotodrafitrasa lehibe no hatao nefa 8km «autoroute» na lalambe migodana sy teleferika mandeha solika no vokatra, lalam-pirenena rehetra potika, tetezana mbola tapaka, iza no manabado? Rehefa mandany vola an-tapitrisany Dolara amin’ny «Lac» na farihy rendrarendra toy ny Miami nefa tsy mamokatra fa ny vahoaka mbola miaina amin’ny fahasahiranana, iza no manabado? Rehefa manambàra fa narindra ny fitsaboana sy fanampiana tamin’ny raharaha Ambohimalaza nefa mbola tsy mazava ny marina, iza no manabado, hoy hatrany ny tenany? Nahare aho hoe «Aza manaiky habadoina!», hoy koa tetsy ankilany, ny mpahay toekarena sady kandidà ho filoham-pirenena teo aloha, Feno Harison. Raha miisa 60.000 isan’andro, hoy izy, izany hoe, 0,0019% no dikan’izany. Manana «groupe» na mpisolo herinaratra ho an’ny teleferika isika fa tsy mahavita manome jiro sy rano ho an’ny maro an’isa. Iza no tena manabado an’iza, hoy ihany ny fanontaniana napetrak’ity mpahay toekarena ity?
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT