Ny lohany indray no matsatso

Mety sa tsy mety, hoy ny fanontanian’ny mpanara-baovao?


  • Alatsinainy 13 Mey 2024

Fifidianana solombavabahoaka dia fitafy misy sarin'ilay filoham-pirenena amin'izao no hampisalorana ireo mpanao

propagandy. Fifidianana solombavabahoaka dia mampiasa ny anaran'ny filoham-pirenena ireo kandida amin'ny afisy, sahala amin'ny hoe filohan'antoko ilay filoham-pirenena. Dia misy minisitra na kandida manana «call center», izany hoe, ireny orinasa misehatra amin’ny fifandraisan-davitra ireny dia ampiasainy tsara ny toro manokan'ny olompirenena hanaovany propagandiny sy ny sisa tsy voatanisa. Mety tokoa ve izany rehetra izany? Manaraka ny lalàna mifehy ny fifidianana ve? 1 andro mialohan’izao fampielezan-kevitra izao moa ny filohan’antoko iray no nampahatsiahy fa andrim-panjakana izany filoham-pirenena izany. Iaraha-mahita anefa io ankehitriny fa ampiasain’ny vondrona politikan’ireo kandidam-panjakana mihitsy hisalotra ny anaran’ilay vondrona izany anarana andrim-panjakana izany. Etsy ankilany dia mitaraina koa ny kandida sasany, toy izay hita teny Atsimondrano ny faran’ny herinandro teo, ohatra, fa misy manala hatrany ny afisin’izy ireo. Aiza ny fampanantenana nataon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC izay nilaza fa tsy hisomonga manoloana ireo trangana tsy fanarahan-dalàna mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana? Hita ho tazanim-potsiny hatreto, araka izany ny tsy fifanajana sy tsy fanajana lalàna anaty propagandy. Hay tokoa moa aho mbola eto Madagasikara, manofy ririnina hatreto mieritreritra fa hiainga avy ambony amin’ny alalan’ny mpitondra ny ohatra amin’ny fampiharana ny fanjakana tan-dalàna!
Tia Tanindrazana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT