Politique

Ny Filoha miantso mpampiasa vola Ny olona anefa toa mangoron’entana


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2022

Fanamby nambaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina teo anatrehan’ireo mpanapa-kevitra ara-toekarena sy rafitra manan-danja aty Afrika, Eoropa, ary ny avy any amin’ny Golf izay nandray anjara tamin’ilay Choiseul Africa

Business Forum tatsy Maraoka ny hametraka an’i Madagasikara ho toerana hiroboroboan’ny fandraharahana na « territoire d'opportunités d'affaires ». Naneho fa misokatra midanadana ny varavarana ho an’ireo mpampiasa vola, ary nampahatsiahy fa nisy ny fanavaozana ho an’ny orinasa nataon’ny Fanjakana Malagasy hanamorana sy hanohanana ireo mpampiasa vola. Tany ihany koa no nitanisana ireo zava-baovao hatao sy hatomboka tahaka ny làlana 6800 hatramin’ny 10 800 km anatin’ny 6 taona, ny herinaratra izay nambara tamin’ny propagandy izay nilazana fa hakariny avo 2 heny ka hamokatra 400MW izy ao anatin’ny 5 taona ka asa hoe: aiza ho aiza izany? Noresahina ny resaka fizahantany, ny tanjona goavana momba ny angovo,… Tsara hatrany ny manamarika sy mampahatsiahy, fa isan’ny takian’ny mpampiasa vola ny fandriampahalemana ho an’ny tontolo ara-pandraharahana na “climat des affaires”, ny resaka fanjakana tsara tantana na “bonne gouvernance”, ny fitoniana politika, ny ady amin’ny kolikoly, ny resaka angovo,… Ny inona amin’ireo no voafehin’ny Fanjakana Rajoelina? Inona ny afera maloto tsy mandeha eto, izay saika ny mpitondra no voatonona matetika? Ratsy avokoa izany amin’ny ankampobeny. Porofo mivaingana io fangoronan’entan’ny Masoivoho Norvezianina eto amintsika io satria isan’ny sarotiny amin’ny kolikoly, fanjakana ratsy tantana,… ireo. Ara-politika, isan’ny hita taratra tao anatin’iny dian’ny Filoha iny tany ivelany ny fisian’ireo mpandraharaha matanjaka eto amintsika, izay saika ireo vahiny voasokajy ho mpanao ampihimamba ny harena sy fandraharahana ary ny toekarena eto ny ankamaroany. Maro no manombatombana sahady fa dia ireny no ho isan’ny mpamatsy amin’ny fifidianana 2023! Azo antoka fa holalaovina indray ny sary amin’ny 28-30 oktobra hampafantarana ilay PEM (Plan Emergence Madagascar) saingy tena hisy mpampiasa vola sy mpamatsy vola hirisika be amin’I Madagasikara ve eo anatrehan’ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika mialohan’ny fifidianana, ny ara-diplaomatika, ara-jeopolitika ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT