Politique

NY FEON’NY VAHOAKA TSY FEON’ANDRIAMANITRA


  • Sabotsy 31 Oktobra 2015

Hevitra neken’ny maro hatry ny ela ny hoe « feon’ny vahoaka, feon’Andriamanitra »( vox populi, vox Dei ). Tsy fitia te hanoratra sy hanohitra izany hevitra izany fa raha zohina ny Soratra Masina sy ny fampianarany dia tsy marina velively io.

 

 

 An-daniny, toa ampiasaina loatra amin’ny tsy antony izany hevitra izany ka hatrany am-piangonana avy no handrenesana hoe ‘’izahay koa voafidim-bahoaka ‘’. Ny “ Demokrasia Protestanta ‘’, ny hoe ‘’tsapao ny hevitry ny vahoaka ‘’. Eo amin’ny raharaham-pirenena dia hirahiraina ny hoe ‘’izahay solontenam-bahoaka ‘’, manana vahoaka, satria noheverina fa fahamarinana tsy azo hihodivirana ny hoe ‘’feon’ny vahoaka, feon’Andriamanitra’’… Ary tany amin’ireo tany Kominista dia lazaina ny hoe ‘’vahoaka Andriamanjaka’’ na dia ny mifanohitra amin’izany aza no niainan’ny mponina tany amin’izy ireny. Ahoana, hoy ny Soratra Masina ?

 

1.     Mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny feon’ny vahoaka

·        Ny feon’ny vahoaka maniry hanana mpanjaka no nanilika an’Andriamanitra tsy ho Mpanjakany, ka ilay ’’ Theocratie ‘’ nireharehan’ny Zanak’Israely  fa Andriamanitra no eo aminy dia navadika ho ‘’Monarchie’’ nifandimbiasan-taranaka  ka nampitondra faisana ny vahoaka. Henoy anie ny Tenin’Andriamanitra e :  « Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Henoy ihany ny tenin’ ny olona amin’ izay rehetra lazainy aminao ; fa tsy ianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy. » ISamoela 8 : 7 . Mifanohitra amin’izay tena sitrak’Andriamanitra ny feon’ny olona ary izany no tranga mateti-piseho eo amin’ny fiainana.

·        Ampiasaina hanao ny tsy azo hatao ny feon’ny vahoaka : Tsy zava-baovao ny  « mampiasa vahoaka » hiteny na hanery ny mpitondra  (fivavahana sy fanjakana) hanao izay tian-katao fa nisy toy izany koa tamin’ny andron’ny Tompo Jesoa :

 

 “ Fa ny lohan’ny mpisorona nanome fo ny vahoaka, fa aleo Barabasy no halefan’i Pilato ho azy. Ary ny vahoaka niantso indray hoe: Homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy (Marka 15 : 11,13). Efa nisy ny mpandranitra vahoaka koa tamin’izany mba hanombo an’i Jesoa Zanak’Andriamanitra teo ambony Hazo Fijaliana. Rehefa mahery ny feon’ny vahoaka dia tanteraka izay tsy azo hatao :‘’ Fa niantso tamin’ ny feo mafy ny olona ka nangataka hanomboana an’i Jesoa amin’ ny hazo fijaliana. Ary nahery ny feon’ ny olona” (Lioka 23 : 23 .)

 

2.     Ny feon’Andriamanitra fa tsy ny feon’ny vahoaka

 

Noho izany dia tsy raharahan’ny Fiangonana na ny mpaminany  ny mampanjaka ny “feon’ny vahoaka “ sy miresaka Demokrasia fa ny mitondra ny feon’Andriamanitra eo amin’ny vahoaka no adidiny ka hahatonga “vahoaka betsaka” hankato an’Andriamanitra  sy hidera Azy, araka ny teny faminaniana hoe :  “Rehefa afaka izany, dia nahare hoatra ny feon’ ny vahoaka betsaka tany an-danitra aho nanao hoe: Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an’Andriamanitsika”(Aokalypsy 19 : 1).

Ny tena marina dia izao :

 Ny “feon’ny olon’Andriamanitra no tena  feon’Andriamanitra ‘’ fa tsy nisy niteny tamin’ny anaran’ny tenany ireny fa ‘’ fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra ; fa avy tamin’ Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ ny Fanahy Masina azy.(2Petera 01 : 21). Ny feon’ny Mpaminany dia feon’Andriamanitra, ny feon’ny Fiangonana dia feon’Andriamanitra  ary izany no tsy maintsy hitenenana rehefa misy ny tsy rariny mihatra amin’ny vahoaka  ary tsy maintsy miteny ny mpaminany  fa raha tsy izany dia manampim-bava an’Andriamanitra izy. Ny fitarainan’ny Vahoakany dia ren’Andriamanitra ka ‘’mampiteny an’Andriamanitra ‘’ ka amin’izany  dia mampitondra Teny Izy. Ireo Mpitondra Teniny no antsoin’ny Baiboly hoe “Mpaminany” = Nabi (Hebreo) : Miboiboika na mpilaza teny tsy mety ritra na tapitra fa manan-kambara hatrany.

 

Fieritreritra :  Marina tokoa fa  natao hanasoavana ny vahoaka ny maha mpitondra. Tsy mahadiso anefa ny miteny hoe : indraindray ny vahoaka manery anao hanao izay tsy azo hatao, indrindra rehefa misy mandranitra izay izy (jereo ny Soratra Masina etsy ambony) ; noho izany dia ilaina koa ny mihaino ny feon’Andriamanitra.

Mba henoy ihany ny Fiangonana sy ireo Mpitondra ny Tenin’Andriamanitra  rehefa miteny fa hahasoa ny vahoaka sy ny Mpitondra azy izany e !

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT