Lôjikan’ny fizorana tsimoramora any amin’ny fametrahana tetezamita iaraha-mitantana ny fanohizan’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny SADC ny fanelanelanana. Tsy mbola misy aloha hatreto ny fankatoavana fa fanampiana amin’ny fikaroham-bahaolana no tena ataon’ny avy any ivelany, izay efa nilaza moa fa tsy hanery ny Malagasy fa hanampy azy amin’ny vahaolana hitany sy ekeny fa mety aminy. Misy ihany anefa no mandika vilana ny zava-mitranga rehetra ka milaza fa azo ny fankatoavana avy any ivelany ary manaiky ny fitondran’i Andry Rajoelina ny sehatra iraisam-pirenena. Ny fiverenan’ny famatsiam-bola ihany no fambara tokana sy lehibe indrindra milaza fa mankato ny fitondrana mijoro eto ny mpiara-miasa avy any ivelany.
Marihina ihany koa fa famatsiam-bola avy amina firenena na fikambanana iraisam-pirenena izy io, fa tsy famatsiam-bola avy amina mpandraharaha tsotra, tahaka ny nofinofisin’ny FAT hatao kanefa tsy mety tanteraka hatramin’izao. Araka ny fandinihan’ny manampahaizana momba ny politika dia mbola haharitra iray volana eo farafahakeliny ny dinika eo amin’ireo ankolafy tsy mitovy hevitra eto amintsika, amin’ny fikarohana ny marimaritra iraisana. Na dia efa nisy aza ny fehin-kevitra hivoaka taorian’ny fihaonan’ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankolafy Rajoelina ary ny Escopol sy ny UDR dia mbola sarotra ny raharaha satria samy manana ny foto-kevitra ijoroany ny ankolafy tsirairay avy.
Araka ny tsiliantsofina re dia mampihitsoka ny resaka ny mikasika ny famafana ny raharaham-pitsarana an’Atoa Marc Ravalomanana ka nanamelohan’ny FAT azy, ny fiverenana eto Madagasikara ary ny fitantanana ireo andrim-panjakana ao anatin’ny tetezamita iaraha-mitantana. Ary tena mbola resaka hafa mihitsy ny amin’ny mety ho filatsahan-kofidian’ity filoha teo aloha ity. Na ny famaritana ny isan’ny mikambana ao amin’ny CT sy ny CST koa aza dia re fa mbola misy mampifanipaka ny fomba fijery. Midika izany rehetra izany fa mbola sarotra ny fanapahana saingy efa mba nivoatra kosa raha oharina ny tamin’ireny fotoana nandehanana tany Maputo sy Pretoria ireny. Ny hany ifaneken’ny ankolafy rehetra amin’izao fotoana dia ny hoe i Andry Rajoelina no filohan’ny tetezamita, ary ny profesora Zafy Albert no filoha hitantana ny Vaomieram-pirenena ho amin’ny fampihavanana, fa ny ankoatr’izay dia mbola adihevitra sy adivarotra.
Tsy mahagaga moa izany fa tsy maintsy misy ny ady seza amin’ny resaka politika ary samy manana ny paik’ady hiatrehany izany ireo vondrona maro isan-karazany. Raha toa koa nefa ka mifanaraka aza ny ankolafy Ravalomanana sy Rajoelina, dia hanaiky izany ve ireo ankolafy roa ambiny dia Zafy Albert sy Ratsiraka izany ? Ahiana ihany koa ny momba ireo ankolafy madinidinika ivondronan’ny te hahazo seza niforona tetsy sy teroa, ny momba ireo gadra politika izay mizara sokajy maromaro, raha ny fahitan’ny mpanara-baovao azy : ao ny niharan’ny tsy rariny, ao ny nanao sinema, tao ny niaiky fa nanongam-panjakana ary eo koa ireo tena nandika lalàna tsotra izao fa miandrandra fanadiovan-keloka amin’ny alalan’ny “amnistie”. Sarotra lavitra noho ny fambolena ny krizy ny famahana azy, izay ilay hoe mora ny mandrodana, fa sarotra ny manorina koa ny aina no matezaha fa diavolan-ko lava, ny lalao mbola ho ela !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.