Ntsay Christian

Tsy nety nilaza mazava na mbola mazoto na efa leo


  • Talata 02 Jolay 2024

Anjaran'ireo solombavambahoaka maro an'isa ety amin'ny antenimierampirenena no manolotra ny anaran'izay

heverin'izy ireo fa mendrika ho tendrena praiminisitra hoy i Ntsay Christian omaly teny amin'ny lapan'i Tsimbazaza raha niresaka tamin'ny mpanao gazety izy.
MODY FANINA
Izay tokoa moa no ambaran'ny andininy faha 54 ao amin'ny lalampanorenana, fa raha nanontaniana raha mbola mazoto ho praiminisitra i Ntsay Christian dia niolakolana famaly sy tsapa ho niala bala. Tsy nanao eny, tsy nanao tsia. Tsy niteny ilay fehezanteny malazan'ny mangetaheta toerana hoe : " raha mbola mametraka ny fitokisany amiko ny depiote sy ny filoha dia tsy hiamboho adidy aho", tsy nilaza mazava koa anefa izy hoe : " tsy marisika intsony".
TSARA MPIARO
Raha misy ny olona mahalala zavatra maro eto dia anisan'ity praiminisitra efa nitety vanim-potoana sy fitondrana ity. Raha nisy ny olona nantenaina fa hitondra fanovàna teto dia anisany izy, raha nisy koa anefa ny olona nandiso fanantenana sy nahasosotra vahoaka dia tafiditra ao ihany koa i Ntsay Christian. Ankehitriny, efa ho 7 taona latsaka kely aty aorian'ny nanendrena azy voalohany ho lehiben'ny governanta dia voasokajy ao anatin'ireo mpanao politika politisianina i Ntsay Christian.Malaza ho mahay milomano sy manaraka ny onjany. Mahoraka be koa anefa fa akaikin'ilay mpanefoefo malaza ho mahay mampiteny ny anarany, Mamy Ravatomanga i Ntsay Christian. Asa na izay ny antony namoaharitra azy ao Mahazoarivo na ahoana.
TSY METY AMIN'NY "ORANGE" ?
Etsy ankilan'izay anefa dia namela takaitra teo aminy sy ny antoko TGV Mapar IRD..ilay fitsipaham-pitokisana nitsefotra nataon'ny depiote fony Christine Razanamahasoa filoha teny Tsimbazaza. Niseho masoandro teo mantsy ny tsy fifankahazoan-kevitra na dia nofoanana tampoka indray aza ilay fitsipaham-pitokisana. Hafa politika mazava ho an'i Ntsay Christian sy ny filoham-pirenena ireny hoe misy tsy mety, misy tsy milamina ao aty ilay PM mihitsy no tsy metimety intsony amin'ny depiote. Izay angamba no mahatonga an'i Ntsay Christian mailo be omaly raha nanontanian'ny mpanao gazety. Naleony nody fanina.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT