Politique

Nouvelle Alliance pour un Changement Démocratique Tokony ho rava avokoa ny rafitra nialoha ny tondrozotra


  • Alarobia 12 Oktobra 2011

Nitondra ny fijeriny momba ny raharaham-pirenena ry zareo eo anivon’ny Nouvelle Alliance pour un Changement Démocratique (NACD).

 Ho an’i Imbiky Anaclet, minisitry ny fitsarana teo aloha ary anisan’ny mpiara-manorina ny NACD dia tsy ahafahana mitondra fanjakana ny tondrozotra fa ny lalàmpanorenana ihany no manana izany fahefana izany. Manolotra soso-kevitra ny hampidirana io tondrozotra io ao anatin’ny lalàmpanorenana lany farany teo ny tenany mba hampanan-kery azy. Raha raisina izay soso-keviny izay dia tsy maintsy misy, hoy izy ny fifandresen-dahatra amin’ireo vondrona politika izay mitsipaka ilay lalàmpanorenana. I Jonah Rahetlah kosa dia nanamarika fa tsy mbola mahafeno ny fepetra amin’ny maha fifanarahana politika azy iny tondrozotra iny satria ireo iraka no nanasonia azy fa tsy filohan’ny ankolafy akory.

Momba ny fanitarana ny mpikambana ao amin’ireo andrimpanjakana indray dia mila hazavaina, hoy izy, ireo raha ireo vondrona tsy mbola nandray anjara tao anatin’ny tetezamita ihany no manolotra anarana amin’ny filohan’ny FAT na samy mamerina mandefa lisitra ny rehetra. «Ny vondrona ve no hitarina sa ny olona ao anatiny», hoy i Imbiky Anaclet nametra-panontaniana. Notsindriany koa fa tokony horavana avokoa ireo rafitra natsangana rehetra mialoha ny fanasoniavana ny tondrozotra, araka ny voalazan’ny teboka faha-30 ka mamorona fiaraha-mitantana vaovao. Io teboka io izay milaza fa foana avokoa izay fepetra sy fanapahan-kevitra noraisina mialoha ny fifanarahana teny amin’ny Paon d’Or ny 17 septambra 2011. Anisan’izany ny parlemanta natsangana tamin’ny 11 aogositra 2010 sy ny governemantan’ny firaisam-pirenena ny 08 martsa 2011.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT