Notsipahan’ny Fitsarana indray koa Ravalo

Manizingizina tsy maintsy haka an’Antananarivo…


  • Alatsinainy 23 Septambra 2024

Tapitra ny dingana farany araka ny zo omen’ny lalàna ho an’Atoa Marc Ravalomanana ! Notsipahan’ny Fitsarana

misahana ny ady amin’ny Fanjakana ihany koa omaly ny fangatahana fanafoanana ny fanapahana noraisin’ny OVEC sy ny HCC izay nitsipaka ny fahefenoan’ny taratasy fanamarinana ny maha mpandoa hetra ara-dalàna na ilay 211 Bis an’i Marc Ravalomanana. Raha tamin’ny 11 ora no nofaritana fa handehanan’ny fitsarana omaly, dia efa tamin’ny 3ora sy sasany tolakandro vao nanomboka, ary tamin’ny 6ora latsaka fahefany no nilatsaka ny didy. Andrasana izany izay ho fihetsika hataon’i Marc Ravalomanana sy ny mpanara-dia azy, fa raha ny nambarany ny sabotsy teo nandritra ny famoriam-bahoaka tetsy Bel’Air dia nilaza i Marc Ravalomanana, fa na inona na inona didy avoakan’ny Fitsarana dia tsy maintsy handray anjara amin’ny fifidianana, ary tsy maintsy hanao izay fomba rehetra hahazoana an’Antananarivo. Ny hetra tokony haloako, hoy izy, dia ny avy amin’ny karama, ny maha filoha teo aloha ahy, ny trano sy ny fiara misoratra amiko. Ahy izay, ary naloako ara-dalàna, ary efa nomena taratasy fanamarinan-ketra aho tamin’ny 2023 ka tsy miova aho fa izaho ihany ity, hoy hatrany io Filoha teo aloha io. Milaza i Marc Ravalomanana fa any amin’ny Tiko sy ny kampania miaraka aminy no tokony hitaky an’izany ny Fanjakana raha misy an’izany, fa tsy amin’ny tenany. Notondroin’i Marc Ravalomanana fa zava-doza io, ka aza mieritreritra ianareo, hoy izy, fa ilamina amin’izao ity tany, tsy izay itsony ilay izy. «Tsy ao an-tsaiko ny hanakorontana fa mietritreritra aho ny hampandroso an’Antananarivo. Ianareo no manery anay hikorontana, manery ny vahoaka hitroatra, manao ny tsy fanao sy tsy manara-dalàna, ka tsy ekena intsony izao satria tsy rariny intsony », hoy i Marc Ravalomanana. Niantso firaisankina sy fampiomanana ho an’ireo mpanara-dia azy noho izany ity farany. « Na inona na inona avoakan’ny Fitsarana eo dia milaza aminareo amin’ny fomba hentitra aho, fa tsy hamela anareo irery. Tsy maintsy ataontsika izay hahazoana an’Antananarivo na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana », hoy i Marc Ravalomanana.
HIDINA AN-DALAMBE ?
Nisy moa ny teny nataon’ny depiote Fidèle Razarapiera, izay nilaza fa apetraky ny vahoaka ho ben’ny tanàna i Marc Ravalomanana rehefa sakanana tsy ho kandida ara-dalàna, ka haverina amin’ny fitondrana Rajoelina ny nataony tamin’ny 2009 izay tsy lany tamin’ny fifidianana saingy napetraka ho Filoha, raha ny nambaran’io depiote io. Ny depiote Hanitra Razafimanantsoa ihany koa dia naneho fa mila miomana ny rehetra, ka nilaza fa haka fahefana rehefa tsy omena amin’ny ara-dalàna. Efa nisy ny fivoahana an-dalambe teny Bel’Air niaraka tamin’ny kirikioka ny sabotsy teo izay nambara fa vao « entrainement» ka asa hanao ahoana ny tohiny ? Ara-politika, raha tsy mahita làlan-kivoahana amin’izao i Marc Ravalomanana, dia tapitra eo ny fahafaha-mandray anjara amin’ny fifidianana ? Samy miandry izay ho tohiny ny rehetra hoe : inona no hataony sy ny mpanara-dia azy ? Hiroso amin’ny fidinana an-dalambe ? Mbola hahomby ve izany ? Samy miandry izay ho fihetsiky ny TIM fa raha ny feo mivoaka tsy ofisialy dia mety hiroso amin’ny « Plan B » na paikady fiandry dia ny mety hanoloana ny kandida amin’ny alalan’ilay hoe : « candidat de substitution » ny TIM ho an’ny eto Antananarivo. Miantso ny mpikatroka ho avy etsy Bel’Air moa anio tolakandro ity antoko ity ka andrasana izay ho akony!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT