Politique

Notebahan’I Voninahitsy I Kaleta “Mipetraha tsara rehefa mba mitaty ran-kena”


  • Zoma 03 Martsa 2023

Tonga ny valin-kafatra mivaivay avy amin’ireo depiote sasany teo anatrehan’ny fanakianana mivaivay nataon’Atoa Soja Jean André na Kaleta ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena.

Tonga hatrany amin’ny fitakiana ny fanesorana an-dRtoa Christine Razanamahasoa mihitsy moa io Mpanolontsaina manokan’ny Filoha io. Mifoha ny fampahatsiavana fa efa kandida depiote IRD tao Taolagnaro I Kaleta fa tsy lany, ary notendrena ho mpanolon-tsain’ny Filoha ny aprily 2022, ka tsy izy mihitsy no tokony hanome lesona. “Amiko ireny fampiadiana ny antenimiera sy ny Fiadidian’ny Repoblika, ary ny famakiana ady amin’ny depiote ohatr’ireny dia manimba zavatra. Aza adinoina, fa ny depiote afaka manao “motion de de censure” sy “motion d’empechement”, hoy ny Depiote Naivo Raholdina. « Tsy ho izy mihitsy no haniratsira ny filohanay, tsy olom-boafidy I Kaleta, olom-boafidy misy hasiny ny Filohan’ny antenimiera ka tsy tokony hovingavingaina sahala amin’ny zazakely tahaka ireny », hoy i Voninahitsy Jean Eugène. Mbola nampiany aza hoe: “Mba mipetraha ihany fa olom-be ianao rangahy fa tsy hanao zavatra tahaka ireny. Iza ianao no hampitandrina azy io, rehefa mba mitaty ran-kena ao mba mpanolontsaina ao, mijanona ao”.. Momba ny toe-draharaha ao Tsimbazaza, voahitsakitsaka ny zonay, na misy aza ny fikononkonana hanao fitsipahana ny birao maharitra, dia milaza ity depiote ity, fa tsy hahazo maro an’isa izay mikasa an’izany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT