Politique

Nosy Kaomoro Lasa firenena matanjaka noho i Madagasikara


  • Zoma 13 Janoary 2023

Nahazo aina 40% be izao eo mitaha amin’ny vola malagasy Ariary koa izany ankehitriny ny vola kaomorianina Franc comorien

rehefa atao ny kajy tsotsotra manoloana izay fihazakazaky ny fitotongan’ny Ariary tao anaty andro vitsy izay. 493,20 Franc comorien omaly ny sandan’ny vola eoropeanina na ny Euro. 1 Euro kosa dia mitovy amin’ny 4884,57 Ariary. Ny 10 janoary teo no tena nahavalalanina ny maro ny fahavizanan’ny Ariary satria dia efa nanafosafo ny 5000 Ariary, izany hoe, 4908,38 Ariary ny Euro teo. Na izany na tsy izany dia manodidina ny 9 Ariary mahery kely eo hatrany aloha izany ny sandan’ny Franc comorien ; raha ny omaly alakamisy zao dia 1 franc comorien = 9,90 ariary. Azo lazaina ho lasa firenena matanjaka noho i Madagasikara mihitsy izany amin’izao fotoana izao ny firenena kaomorianina ary tsy mahagaga raha izy ireo indray farany teo no nanome fanampiana ny firenena malagasy nanoloana ny takaitra navelan’ny rivodoza nandalo teto raha toa ka napetraky ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, ho fanamby hatramin’ny nanaovany propagandy sy nandritr’izao fitondrana izao mihitsy ny hoe hanome fanampiana an’i Kaomoro na hampindram-bola an’i Kaomoro. Ny vava tokoa no tsy atao be eee.
Legende : tsy vitan’ny vava ny fampandrosoana fa mila ampitenenina ihany koa ny tarehimarika
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT