Politique

Norbert Lala Ratsirahonana Mampidi-kizo an-dRajoelina ?


  • Talata 18 Janoary 2011

Mety ary manaraka tsara ny zava-misy sy ny toetrandro ny kabarin’ny filohan’ny tetezamita ny zoma lasa teo teny Iavoloha araka ny fahitan’ny filoha nasionalin’ny antoko AVI, Norbert Lala Ratsirahonana azy.

Sady kabary politika no kabary toekarena ireny hoy izy ; natao indrindra hamaritana ny lalana hizorana amin’ny hoavy. Efa miroso isika izao, hoy Atoa Ratsirahonana ka tsy afaka miverina intsony, mbola afaka miditra ao anatin’ny rafitra tetezamita isan-karazany anefa ireo izay vonona ny hifanome tanana amin’ny fampandrosoana ny firenena. Aminy dia tsy tokony hiavonavona ireo izay tsy mbola tafiditra ao anatin’ny “sambo” fa hanaiky ny fifandaminana sy ny politikan’ny fisokafana ataon’ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana. Mikasika ny fahatongavan’ireo mpandraharaha vahiny eto amintsika, dia tsy olana mihitsy izany, hoy Atoa Ratsirahonana ary tsy manakana ny fanohizana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpamatsy vola mahazatra tahaka ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola Iraisam-pirenena.

Notsipihiny mazava kosa anefa fa tsy afaka ny hiandry mandrakizay ny fahazoana ilay fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena vao hanomboka hiasa ny fanjakana Malagasy. Rehefa tsy mbola tonga ny famatsiam-bola mahazatra avy any ivelany dia rariny sy hitsiny raha mitady mpamatsy vola vahiny hafa ny mpitondra, hoy izy nanohy ny fanazavany. Matoa isika mikaroka famatsiam-bola avy any ivelany dia mila fampandrosoana haingana, hoy ihany izy, ary tsy midika velively ho fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena ny fahatongavan’ny mpandraharaha vahiny maro be eto. Somary nahagaga ny maro ihany ity fanehoan-kevitry ny filohan’ny AVI, sady mpanolotsaina manokan’i Andry Rajoelina ity, satria fony izy filohan’ny tetezamita tamin’ny 1996 taorian’ny nirodanan’ny fitondran’ny Profesora Zafy Albert dia nikaroka ny hevitra rehetra Atoa Ratsirahonana sy ireo mpiara-miasa taminy mba hamerenana ny fitokisan’ireo mpamatsy vola mahazatra ary nivahiny tany Washington mihitsy aza ny tenany tamin’izany fotoana.

Nireharehany nony avy eo fa izy no nahay nifampiresaka tamin’ny Banque Mondiale sy ny FMI ary tsy nahatapaka ny fanampiana an’i Madagasikara. Fantatr’ingahy Ratsirahonana tsara amin’ny maha mpahay lalàna sy efa mpitondra azy ny voka-dratsin’ny fahatapahan’ny famatsiam-bola avy amin’ireo sehatra iraisam-pirenena ireo sy ny zava-doza mety hateraky ny fifanarahana fanjakana amina mpandraharaha vahiny tsotra, indrindra fa amin’ny vanim-potoana tetezamita tahaka izao, kanefa dia toa mitazam-potsiny izany rehetra izany izy fa tsy sahy milaza ny tena marina. Koa lasa ihany ny eritreritry ny mpanara-baovao hoe sao dia efa mampidi-kizo sy manipy hoditr’akondro an’i Andry Rajoelina indray ary Atoa Ratsirahonana, izay mpanolotsaina manokan’i Marc Ravalomanana ihany koa nandritra ny dimy taona ?

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT