Noraisin’ny masoivohon’I Afrika

Atsimo ny kandida 11 Hiakatra any amin’ny SADC ny raharaha Madagasikara…


  • Alarobia 20 Septambra 2023

Nihaona tamin’ny Ambasadaoron’i Afrika Atsimo, Andriamatoa Sisa Ngombane ireo kandida hilatsaka ho filoham-pirenena

miisa 11 ny alatsinainy 18 septambra, taorian’ny fangatahin’ireto farany, hoy ny fampitam-baovao. Maro ireo resaka mahakasika ny toe-java-misy eto amin’ny firenena no navoitr’ireto Vondrona kandida ireto. Nozarain’ireto Vondrona kandida ireto ireo ahiahin’izy ireo mikasika ny voalazan’ny lalam-panorenana manodidina ny famindram-pahefana, indrindra fa ny fampiharana ny voalazan’ny andininy 46, hoy hatrany ny tatitra. Naneho ny tsy fahafaliany izy ireo manoloana ny tsy fisian’ny fangaraharana eo amin’ny zotram-pifidianana izay manimba ny fitokisana amin’ny CENI. Notsindrian’ireto Vondrona kandida ireto moa ny fahavononany hiroso amin’ny fifidianana saingy mitaky ny hizoran’izany araky ny rariny izy ireo ka hamela malalaka ny fivezivezena sy fivoriana. Nilaza kosa ny Ambasadaoro fa hampita any amin’ny foibe ny momba ity fihaonana manan-danja sy maika ity. Nomarihiny fa ny SADC dia manana rafitra maro, toy ny rafitra misahana ny politika, ny fiarovana ary ny fandriampahalemana izay mikatsaka ny hanampy ireo firenena mpikambana indrindra indrindra mandritra ny fotoam-pifidianana. Ny filohan’i Zambia, Andriamatoa Hakainde Hichilema, moa no mitarika izany ka hampitaina aminy ireo ahiahy ireo, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Manomboka miakatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny toe-draharahan’I Madagasikara, raha tarafina amin’izao zava-misy izao. Efa nisy ny fanambarana nataon’ny Vondrona Eoropeanina sy firenena maro omaly, io ihany koa ny fihaonana nisy tamin’ireo kandida sy ny masoivoho vahiny samihafa, ary tena midika zavatra maro eo amin’ny tontolo politika sy jeopolitika ity filazan’ny Afrikanina tatsimo ity fa hampita ny raharaha amin’ny SADC, izany hoe: azo heverina ho efa miditra ao anatin’ny dingana ara-pamahana ny olana arakaraka ny antanan-tohatra sy rafitra misy na “principe de subsidiarité” ny toe-draharaha eto Madagasikara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT