Nopatahin’ny kandidam-panjakana ny lalana

Fitohanana tsy nifankahitana tetsy Anosibe


  • Talata 28 Mey 2024

Nampiteny ny moana ny fitohanana niala teny Anosy niazo an’Anosibe omaly Alatsinainy 27 May hariva nanomboka tamin’ny 05 ora.

Tapaka tanteraka mantsy ny lalana nivoaka an’Anosizato. Nahatratra ora iray ny fiara sy ny moto vao tafavoaka teo amin’ny sampanana niazo an’i Namontana notronin’ireo taxi-bisikileta marobe. Antony nahatonga izany ny fanapahan’ny kandidam-panjakana iray ny lalana. Novonoina mihitsy ny arabe iray nanangana trano nanaovana lanonana famaranana ny propagandy sy nampifalifaliana vahoaka. Ny tena nahavariana ny maro dia nambenana mpitandro ny filaminana mihitsy izany. Nahatsiaro nijaly fatratra ireo mpampiasa lalana. Fiara sy moto ary bisikileta an-jatony mantsy no mifamezivezy amin’iny lalana iny rehefa fotoana firavan’ny mpiasa sy ny mpianatra tahaka ireny. Tsy milamina ny fitohanana isan’andro raha tsy amin’ny 07 ora hariva any ho any nefa vao mainka notapahina indray ny lalana. Ry zareo tokony hampianatra hanara-dalana indray araka izany no tsy nanara-dalana. Mety ho tahaka ny ahoana re no nitranga raha kandida tsy miankina na any amin’ny Vovonana firaisankina no nanapa-dalana tahaka ireny teto an-drenivohitra e ?
Pati
Legende : Voabahana tahaka izao ny arabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT