nolavina sy nomena alalana hanao hetsika etsy
Ambohijatovo ny mpanolontsaina monisipaly avy amin'ny firaisankinan’ny mpanohitra eto Antananarivo Renivohitra, araka ny tapaky ny OMC (Organisation Mixte de Conception) tarihin'ny Prefen' Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo. Hetsika fitakiana momba ny delestazy izay voafaritra fa hatao rahampitso amin’ny 11ora etsy Ambohijatovo io. Nolazaina fa misy loza mitatao amin'ny fandriampahalemana ny fisian'ny fandranitana miparitaka amin'ny fikasana handoro na hanafika tranon'olona. Nambara fa tsy nahazo halalana hivory ao amin'ny Roxy ihany koa ny avy amin'ny TGV. Heverina fa kajikajy novolena mba hanomezana sary ity resaka TGV ity mba hanehoana hoe : tsy misy fitanilana. Mazava fa hanao ny fomba rehetra hanakanana izany ny Fanjakana, ary efa manomboka mivoaka ny toromarika na « consigne » fa tsy maintsy sakanana na amin’ny fomba ahoana na ahoana ny fidirana eny Ambohijatovo sy eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Manomboka amin’ny 5ora maraina dia ho sakanana daholo ny làlana rehetra makao Ambohijatovo sy 13me, tionelina anankiroa, Antaninarenina, tohatohabaton'Ambondrona, Isoraka, Ampasamadinika, Tsaralalana, Ambodifilao, Soarano sy izay elakelan-trano rehetra,... Misy mpanao politika manangona « gros bras » ka isan’ny voatonontonona ho lehiben’izy ireo ny depiote miisa 2 eto Antananarivo,…
« HITARIKA NY VAHOAKA IZAHAY ! »
Andaniny nanamafy ireo olom-boafidy ahitana ireo mpanolotsain’ny tanàna sy ny depiote omaly takariva, fa tsy maintsy tanterahana ny hetsika rahampitso. Naneho izy ireo fa tsy ady ho an’ny olona 3 ny ady amin’ny tsy fisiana jiro sy tsy fisiana rano fa ho an’ny vahoaka rehetra. Tsy mitarika fotsiny ka mamela ny vahoaka amin’izao, fa mijoro ireo mpanolotsain’ny tanàna, depiote eto Antananarivo sy ny manodidina mbola miampy ny avy lavitra aza. Naneho fa voatazona ny fotoana ho an’ny rahampitso, ary tsy tokony hotapenam-bava foana ny vahoaka. « Mitaona antsika hoe : mbola hiandry fotoana rahoviana indray isika hijoroana. 25 septambra amin’ny 11ora ny fotoana nifanomezantsika, ary miantso isika satria narahina ny antanan-tohatra rehetra,… . Inoanay fa hamaly ny antso ianareo satria ady ho antsika rehetra izao ady izao fa tsy ho anay irery, ary tsy hotapenam-bava foana ny Malagasy isaky ny mitaky ny zo fototra izay tokony hositrahany », hoy i Lily Rafaralahy. Nilaza kosa ny depiote Gascar Fenosoa fa mijoro ny olom-boafidy izay nampindramina fahefana, fa tsy hamela ny vahoaka ho irery amin’io fotoana io. « Ny vahoaka Malagasy no hitarika ny tolona, ka miantso izay tapaka rano, tsy misy rano hosotroina, miantso izay iharan’ny delestazy na mpomba na mpanohitra ny Fanjakana », hoy ity depiote ity izay nilaza fa tolona ho an’ny delestazy sy tsy fisian-drano no atao. Naneho fa samy ianjadiany sy mizaka ny ngidin’izany ny rehetra ka niantso ny prefen’Antananarivo sy ny vady aman-janany izay tratry ny delestazy, ny mpitandro ny filaminana, ny mpitsara sy ny tompon’andraikitry ny fitsarana, ny fiangonana, ny rehetra iharan’ny delestazy na inona na inona loko politika ho avy eny Ambohijatovo rahampitso. « Hijoro hiaraka aminareo izahay olom-boafidy mpanolotsai’ny tanànan’Antananarivo, solombavambahoakan’i Madagasikara », hoy ity depiote voafidy teto Antananarivo ity. Andrasana izany ny rahampitso hoe : hanao ahoana ny ho fitrangany !?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.