Politique

Noho ny baikon’ny Filoha Noadraina ireo nikasi-tànana olona nanao “T-shirt orange”


  • Alakamisy 30 Martsa 2023

Raikitra ny fanagadrana fisamborana ireo olona voalaza fa isan’ny tompon’antoka tamin’ilay fanakanana sy

fanendehana ny akanjo volomboasary misy ny sarin’ny Filoha Andry Rajoelina na “t-shirt Andry Rajoelina” nandritra ilay hetsika nataon’ny mpisehatra amin’ny lavanila tao Sambava vao andro vitsy lasa izay. Na teo aza ny fandefasana ireo olon’ny governemanta nandamina tany an-toerana, dia toa tsy afa-po ny Filoham-pirenena, raha tarafina tamin’ilay horonam-peony heverina ho tsiambaratelo kanefa nisy nanaparitaka. Horonam-peo, nanome toromarika ireo lehiben’ny mpitandro filaminana ao anatin’ny governemanta mba handraisana fepetra teo anatrehan’ilay tranga. Nosokajiana ho andian’olona vitsy, ary zavatra efa tena voahomana satria mbola vao niala lavitra dia efa nisy naka horonan-tsary. “Mba hampihorohoroana izay olona manohana antsika izany, ary indrindra mba atahoran’ny olona hanao t-shirt fa mba hifamonoan’ny Malagasy ihany koa. Adidintsika, adidinareo ny hoe: ahoana no hanatsaharana an’io? Ny soso-kevitro dia tsotra hoe: satria voakarama ny olona nanao an’io dia miantso fijoroana vavolombelona ny polisy any an-toerana ka izay rehetra olona nanao ireny fihetsika ireny na misy olona manana horonan-tsary izay olona namono an’iny olona iny dia tokony manao filazana (aveu) hoe: nokaramain-dRakoto na Rabe dia tokony hofaizintsika Mr le Minisitre! Izany no zavatra tokony hatao, ary tsy tokony havela handehandeha fotsiny amin’izao ireny izany zavatra ireny”, hoy ny horonam-peon’I Andry Rajoelina. Vokany, nisy ny olona nosamborina, ary miisa 2 no naiditra am-ponja, raha ny vaovao azo avy any an-toerana omaly. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana anefa, nanao fifandaminana hamoaka ireo olona voasambotra ireo, ary nanao taratasy fisitomana ny fitoriana na “plainte” Rtoa R.M. mpampiasa ilay lehilahy tompon’ny Bajaj, fa noho ny tsindry avy amin’ny manampahefana dia tonga amin’izao. Ny tany an-toerana izany efa nifandamina, saingy toa tsy levon’ny vavonin’ny Filoha ka izao no vokany. Misy olomboafidy any Sambava etsy ankilany mampahatsiahy fa tsy tranga vaovao ny toy ireny rehefa tezitra ny olona aty SAVA. Efa niharan’ny toy ireny koa ireo olona nanao akanjo nisy sarin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, araka ny nambarany ihany, fa tsy tonga tamina fampidirana am-ponja izany rehefa ny fototry ny olona no novahana. Vao omaly anefa ny Filoha Rajoelina tany Moramanga no niantso firaisan-kiana ho an’ny Malagasy fa tsy hanaiky hozarazaraina. Tena hitondra filaminana ve ny fepetra noraisiny tany SAVA? Hanao ahoana ny hoavy politikany any ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT