Noboriborian’ny HCC ny resaka

« Manohy ny asany ireo ben’ny tanàna, soloy PDS izay efa tsy eo »


  • Zoma 26 Janoary 2024

Ny 10 janoary 2024 lasa teo no tapitra tanteraka ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny

tanàna manerana ny Nosy. Tao aorian'ny fangataham-panazavana nataon'ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin'ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana HCC ny 18 janoary momba ireo Ben'ny Tanana sy ireo mpanolon-tsain'ny tanana izay efa lany fe-potoam-piasana dia namaly izany ny HCC androany. Notapahan’io rafitra io, fa mitohy toy ny teo aloha ny asan'ny Ben'ny Tanana sy ireo mpanolontsaina mandra-pahatongan'izay mety ho solon'izy ireo amin'ny fifidianana izay hatao amin'ity taona ity ihany. Misolo ho Filohan’ny Delegasionina manokana na PDS kosa ho an'ireo kaominina maty na niala sy nametra-pialana na voatendry amin’ny andraikitra hafa ny ben’ny tanàna. Somary hafahafa ihany moa ity fanapahan-kevitra ity hoe : fahefan’ny HCC ve io ? Tena mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ve ? Ho vita amin’io valin-tenin’ny HCC io sa mbola hisy didim-panjakana ? Andaniny, nisy ilay fanovana sy fikitihana ny lalàna 2014-020 tamin’ny 27 septambra 2014, izay navadika ho 5 taona ny fe-potoana hiasan’ny ben’ny tanàna, ary nisy fiovana pitsopitsony fahazoana ny toerana ho mpanolontsaina monisipaly, izay efa nolanian’ireo antenimiera, saingy mbola tafiditra ao anatin’ny horesahan’ny governemanta sy hampidirany ny heviny raha jerena amin’ny fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoana noraisina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra. Naman’ny nohalavaina izany ny fe-potoana hiasan’ireo ben’ny tanàna izay efa lany fe-potoana iasana, ka any amin’ny volana jolay any no hanatanterahana an’io raha tsy misy ny fioavana. Tsy mbola mihatra anefa ilay 5 taona raha tsy amin’ireo ben’ny tanàna voafidy manaraka eo satria mihemotra amin’ireo tany aloha ny fampiharana ny lalàna izay mbola tsy nandalo teo anivon’ny HCC ny maha araka ny lalàmpanorenana azy na tsia, ary tsy mbola nisy didy fampiharana avy amin’ny Filoham-pirenena. Rehefa ho amin’ny tombotsoa politika dia maika ny fanatanterahana ny fifidianana ho fanajana ny lalàmpanorenana na fifidianana maloto sy ahiana ho nanjakan’ny hosoka tahaka ilay fifidianana filoha teo aza, fa rehefa tsy dia misy mahamaika dia azo boriboriana ny resaka, ary azo atao tsara ny tsy miraharaha ny fanatanterahana azy sy fanalavam-potoana ho an’ireo am-perin’asa.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT