Nivoaka tamin’ny fahanginany i Christine R.

«Tena nandika lalàna sy nizara vola ny kandidam-panjakana »


  • Alakamisy 06 Jona 2024

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha Rtoa Christine Razanamahasoa

manoloana ny zotram-pifidianana tany Ambatofinandrahana. Nambarany tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray omaly fa betsaka ireo tetika maloto sy tsy fanarahan-dalàna nataon’ny kandidam-panjakana. « Anisan’ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny kandida tohanan’ny Fanjakana ny fampiasana ny fitaovam-panjakana izay tena fahasahiana. Anisan’izany ny tany amin’ny kaominina izay be mpifidy indrindra. Nampiasa fiara takelaka mena, ary nizara vola », hoy Rtoa Christine Razanamahasoa. Naneho ny tenany fa nisy tetika nentina nanova ny bileta anaty vata mangarahara. Tsy fitaovam-panjakana ve, hoy izy, ireny angidimby nampiasaina, ary nambarany ihany koa fa ny fiaran’ny lehiben’ny distrika nitatitra elo miloko volomboasary. Mbola ho ela isika Malagasy raha izao no mitohy vao tena hahavita fifidianana tena an-kahalalahana araka ny safidim-bahoaka. Raha ny fironam-bokatra navoakan’ny CENI omaly takariva ho an’ny distrikan’Ambatofinandrahana, dia ny 134/147 amin’ny Birao fandatsaham-bato no efa nokirakirain’ny Vaomieram-pifidianana. Mitarika amin’ny salan’isa 55,46% amin’ny alalan’ny mpifidy 14713 ny Kandidam-panjakana Razafindrabary Richard, raha toa ka 44,54% amin’ny alalan’ny isam-bato 11817 kosa ny an’ny kandida Christine Razanamahasoa. Betsaka ny mitsikera fa tsy mitombina io, ary taorian’ny fahavitan’ny fifidianana dia efa nisy ny fihetsiketsehana tany Ambatofinandrahana ho fanehoana fa tsy mankasitraka ny mety ho teti-dratsy samihafa ara-pifidianana. Fahafaha-baraka ho an’ny fitondrana ny fahatafaverenan-dRtoa Christine Razanamahasoa izay efa naongana tamin’ny alalan’ny HCC ka atao izay fomba rehetra tsy hahalany azy, raha ny sary politika mitranga.
Toky R

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT