Politique

Nividy angidimby raitra ny Filoha Ny nanonganana an-dRavalo no averina…


  • Alarobia 08 Martsa 2023

Manomboka taterin’ny fampahalalam-baovao samihafa ny fahatongavan’ny angidimby raitra irony mahazaka olona 10 miaraka amin’ny mpanamory roa irony,

marika Airbus H145 (D-HBKM) teto Madagasikara tamin'ny fiandohan'ny volana Febroary, izay efa nahazo ny laharana 5R-AXA. Ny Volana novambra 2022 no nivoaka ny ozinina nanamboarana azy tany Allemagne, ary ny volana Septembra no nanaovana komandy an'ity fiarmanidina ity, hoy ny tatitry ny fampahalalam-baovao. Voamarina ao amin'ny tranokalam-pifandraisan'ny orinasa namokatra azy ny efa nahatongavany tamin'ny volana febroary 2023 na dia nanakatona vonjimaika ny tranokalam-pifandraisany. An’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny helikoptera ary nampiantsonana tao Amborovy Mahajanga taorian'ny nahatongavany teto Madagasikara. Manodidina ny 12 tapitrisa dolara na maherin'ny 51,2 miliara ariary, ka malaza fa hampiasain'ny filoha amin'ny fampielezan-kevitra ity. Roa ny angidimby voalaza fa novidiana, ka ny iray ilay nampanantenaina ofisialy dia ny Airbus H130 hanamafisana ny asan'ny tafika malagasy amin'ny fidinana ifotony an-kahamehana ilay angidimby voalohany. Samy vaovao ireto helikoptera ireto ary nampiarahana tamin'ny an'ny Tafika Malagasy ny an'ny filoha, mba hanakonana ny fampidirana azy, hoy hatrany ny fanamarihana. Efa hita nanidintsidina teny io H145 io, ary isan’ny nahitana azy ny dian’ny Filoham-pirenena tany Morarano Chrome ny 16 febroary 2023 teo. Zony tanteraka ny mividy angidimby raitra, fa ny mampametra-panontaniana dia ny hoe: volan’ingahy Andry Rajoelina madiodio ve sa volam-panjakana no nividianana azy? Raha volam-panjakana, izany ve no laharam-pahamehana amin’izao?
NY NANONGANANA AN-DRAVALOMANANA NO AVERINA
Tsy zavatra tahaka izao ve no nanakianana sy nanonganana an’I Marc Ravalomanana tamin’ny 2009 rehefa nividy fiaramanidina Air Force One nenti-niasa? Ny tena loza, azo lazaina ho mbola niaina ny vahoaka tamin’izany, ambony ny fari-piainana sy ny toekarem-pirenena tamin’izany mitaha amin’ny ankehitriny. Amin’izao ny firenena niha nahantra fadiranovana ankehitriny fa hafa indray raha hoe niha nanan-karena isiaka. Ny làlana tsy amboariny fa izy mandeha angidimby hizara hani-masaka hakana ny fom-bahoaka ka izao ve no fomba fitantanana manara-penitra? Vola tsy toko tsy forohana no hantontona amin’izany fa ny vahoaka miha fadiranovana!
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT