Fikaonan-doha, « perquisition », dian’ny mpitondra any ivelany,…
Raha efa ela tsy nandrenesam-peo dia niverina niresaka raharaham-pirenena indray i Sareraka na Yvon RANDRIAZANAKOLONA, mpanakanto sady mpanao politika. Efa ela ny malagasy no nikatsaka fiovana sy fanavaozana hoy izy ka tahaka ity 2025 ity no nisy tamin’ny 1972 satria ny tanora mpianatra no tena nitarika tamin’izany. Isan’ireo nandray anjara mivantana tamin’ireo hetsi-bahoaka nisy teto ny tenako hoy i Sareraka. Tamin’ity farany ity kosa dia nandray anjara ihany koa fa ankolaka noho ny zavamisy . Ankoatra ny tolona dia nisy foana koa ny fikaonandoha ao afaran’ny hetsi-bahoaka kanefa dia mbola miverina foana ireny fa tsy nahitana vokany.
FAKAN-KEVITRA IFOTONY
Manomboka eto kosa dia mila olom-pirenena tompon-draharaha amin’izay i Madagasikara fa tsy hisy hialangalana intsony raha tena mila izany fanovana izany , hoy i Sareraka. Hiatrika ny fikaonandoham-pirenena isika io, ho mpîkarakara sy mpandrindra fotsiny ihany ny FFKM sy ny ministeran’ny fanavaozana fa ny isambatan’olona mihitsy no tokony ho tompony sy handray anjara ao anatiny. Efa nilaza ny mpikarakara hoy i Sareraka fa hiainga any ifotony izany fikaonandoha izany. Tokony hamafisina ny fanentanana eny ifotony ka ireo rehetra feno 18 taona no miakatra dia mila mandray anajara avokoa. Tsy isam-pokontany akory no hanaovana ny izany fa tokony isaky ny tanàna mihitsy hoy i Sareraka. Izy ireo no mifidy izay olona hisolo tena azy any amin’ny fokontany mba hitondra ny hevitra niaraha nanapaka, avy eo miakatra any amin’ny kaominina ary toy izay hatrany. Ny hevitry ny vahaoka no tokony ampanjakaina hoy hatrany ity mpanao politika ity . rehefa tanteraka izany dia samy ho tomponandraikitry ny ho avin’ny firenena ny rehetra. Tsy hisy intsony ny fimenomenonana satria samy nandray anjara. Mila vahaoka tomponandraikitra sy mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny firenena isika.
FISAVANA TRANO
Misy lalàna mifehy ny fisavana tranon’olona. Efa in-droa aho no tratran’izany hoy i Sareraka taorian’ny fandraisako anjara tamina hetsi-bahaoaka. Azo atao tsara ny « Perquisition », hoy izy rehefa mahazo alalana avy amin’ny fitsarana ny mpitandro ny filaminana. Ao anaty fanajana tanteraka no tokony hanaovana izany. Azon’ny mpanao gazety atrehana ny Perquisition, raha tsy misy mpanao gazety dia fokonolona na solotenam-pokonolona no tokony ho antsoina. Rehefa tsy manaraka ireo dia fandrobana no iantsoana azy. Azo anaovana an’izany avokoa ireo izay ahiahiana rehetra. Tsy tokony ialokaloka ao ambany lalàna anefa ireo mpanao ratsy fa zo tanteraka ny hanenjika sy hamongotra ny tsimatimanota
FIVOAHAN’NY FILOHA ANY IVELANY
Tsy ny filohan’ny fanavaozana ihany fa tokony ifandamina amin’ny fivoahana any ivelany ireo mpanolotsaina avo efatra mirahalahy sy ny filoha hoy i Sareraka. Raha ny hevitro manokana hoy izy dia firenena matanjaka miisa 24 no tokony tsidihan’izy ireo. 24 mitovy amin’ny isan’ny faritra, mba ahafahana mijery izay paikady ananan’ireny firenena ireny entina mampandroso isamparitra eto Madagasikara ihany koa. Ilaina ny fivoahana ataon’ny mpitondra ary tsy sanatria mila hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka isaky ny andeha akory ny mpitondra. Maninona ihany koa isika no toa maika hitsikilo izay zavatra entiny ka misy milaza fa volamena na harena sarobidy. Sao mba lodisa na manga no nentiny , satria fahavokaran’izany izao . Na izany aza anefa dia ilaina kosa ny mangarahara mila ampahafantarina ny vahoaka ny dian’ny mpitondra raha mifandraika amin’ny raharaham-pirenena.
FAHATARANA AMIN’NY FANENDRENA
Olan’izao fitondrana izao hoy hatrany izy ny fahataran’ny fanendrena ireo tompon’andraikitra sy mpiara miasa. Isan’izany ny sampandraharahan’ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny fanavaozana izay hisahana ny fampitam-baovao amin’ny vahoaka. Eo ihany koa ny « Comité Scientifique » izay hivondroanan’ny mpanampahaizana Malagasy handinika ny endrim-pitantanana sy ny vaindohan-draharaha maika amin’ny vahaoaka. Ilain’ny firenena ny fananana izany hoy izy . hatramin’izay dia fanapahan-kevitra tsy voahevitra foana no noraisin’ny mpitondra ka lasa nitrosa zavatra tsy ilaina tahaka ny « Téléphérique » isika.
Nangonin’i Solotiana R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.