Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny
Firaisankina ao amin’ny Distrika Avaradrano ireo vehivavy TIM avy amin’io antoko io, araka ny fanambarana izay nataon’izy ireo teny Alasora androany omaly aprily 2024. Ny depiote am-perinasa Gerry Andriambolaina no ho tohanan’izy ireo hiverina amin’ny toerana maha solombavambahaoaka azy, raha ny nambaran’ireto farany. Efa nadritra ny 10 taona no naha solombavambadoaka an’i Gerry Randiambolaina raha ny fanambarana hatrany ary izy no nitolona hoan’ny vahaoaka sy ny firenena taorian’ireny zava-nitranga teto tamin’ny 2009, rah any filazan’ireto vehivavy TIM nanao fanambarana ireto hatrany. Mbola izy ihany koa no nisolo tena ny tiako I Madagasikara hoan’ny distrikan’Avaradrano nandritra ny tolona fotsy izay natao ho fanoherana ny fanatanterahana ny fifidianana tamin’ny 2023, hoy hatrany ny fanamarihana sy fampahatsiahivana. Maro be ireo asa vitany tao amin’izany distrika nahalany azy izany, ary isan’ny nahazo tombony ny vehivavy, raha ny filazan’izy ireo. Noho izany dia niombom-peo ho fanohanana azy ireo vahivavy mpikambana ao amin’ny tiako I madagasikara Avaradrano fa io ihany no ho tohanana. Niara-nanao fanambarana tamin’izy ireo omaly moa ireo mpitarika fikambanana maro avy ao amin’ity distrika ity. Raha hiverenana etsy andaniny, dia efa nanolo ireo mpitarika ny DISTIM Avaradrano io antoko io, ka ny kandida natolotry ny Firaisankina no lasa mitarika izany. Misy ihany koa ny fanambarana nataon’ny Foibe TIM fa ny kandida atolotry ny vovonana Firaisankina ihany no tohanan’ny antoko. Hatao ahoana izany ireto vehivavy TIM nanambara ampahibemaso ny fanohanany ny depiote TIM am-perinasa izay nisafidy handeha amin’ny tsy miankina ireto? Ny mpikatroka manontolo ireo sa nizara roa ireo mpikatroka? Tranga mpiseho amin’ny politika raha ny hita tamin’ny fifidianana tato ho ato ny tahaka izao fa dia any anaty latsa-bato izany no ahitana izay tena manana mpanohana sy vahoaka ao an-damosiny, raha fifidianana tena madio.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.