Nitsimbadika ny rasa politika

Nitodika amin’ny vahoaka ny tafika…


  • Alatsinainy 13 Oktobra 2025

Nivadika tanteraka ny rasa sy ny toe-draharaha politika

nanomboka ny sabotsy teo, noho ny fijoroan’ny miaramilan’ny CAPSAT (Corps d'Administration des Personnels et des Services de l'Armée de Terre) tetsy Sonierana, nanao fanambarana miandany amin’ny Malagasy. Tsy hiandany amin’ny mpitondra mampamono vahoaka, manao kolikoly, mpamotika Firenena,… Nampahatsiahy fa amin’ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana (miaramila, zandry, polisy) ka niantso ny rehetra hiverina amin’ny vahoaka. Nivoatra haingana dia haingana, ka nanamafy izy ireo fa mijoro noho ny antsoantson’ny vahoaka. « Tsy misy hetsika politika ity ataonay ity fa fitiavana tanindrazana tanteraka no ny fahitana ny zavatra iainanan’ny vahoaka ankehitriny. Ontsa ny fo dia mijoro izahay amin’ny maha « Dernier rempart » anay », hoy ireo miaramila, izay nanameloka ny habibiana natao tamin’ny vahoaka, toy ny fandorana velona, fitifirana, fidarohana lakrimozenina,... Ny tolakandron’ny sabotsy, mbola nanao antso sy nampitandrina mba hanajanonana ny fidarohana lakrimozenina sy tifitra teo Ambohidahy sy Anosy, saingy ny valin-kafatra dia ny fikasana hanafika ny CAPSAT. « Naheno izahay fa ireo rahalahinay eny Ivato ny « GSIS» dia miomana hiditra aminay aty androany alina. Ry rahalahy, aza manaiky baiko tsy ara-dalàna,... Aoka tsy hisy rà latsaka ary tsy hiady no hitsangananay fa hamaly ny antson’ny vahoaka. Ho an’ny vahoaka sy ny miaramila no hitsangananay, ho an’ny tanindrazana ka isika vahoaka aleo isika hiara-hiasa. Vonona izahay ny hifandamina sy hifampiresaka fa ny hijoroanay dia ho an’ny vahoaka. Io baomba « lacrymogène » io dia ajanony ary io no anisany mampitsanagana anay izao, hoy ny kolonely Michaël Randrianirina, sy ny kolonely Rabearimanana Lucien.
FIFANDONANA NAHERY VAIKA
Rehefa nangotraka ny teny an-kianja, tsy nijanona ny tifitra sy daroka lakrimozenina, dia niroso tamin’ny fitarihana ny vahoaka hamaky ny kianjan’ny 13 mey ny CAPSAT, nahitana fiara tsy mataho-dàlana 2 sy fiara tsy laitram-bala 2. Rehefa nifanandrify teo amin’ny Toby Ratsimanadrava anefa no nisy ny fifampitifirana teo amin’ny miaramila sy ny zandary, ka nahafaty ny miaramila iray miaramila Deuxième classe antsoina hoe Jacky, ary sivily iray ihany koa no maty nisy nitifitra teny amin’ny tohatohatr’Ambohijatovo. Nisy mpitifitra matihanina na « sniper » teny amin’ny manodidina an’Antananinarenina, ka avy amin’ireo no voalaza fa nahavoa ilay sivily iray. Nanao tari-dositra sady nitifitra ireo zandary farany tavela teo Anosy sy Antanimbarinandriana rehefa nanatona ny CAPSAT, ka nizotra nalalaka niazo ny 13 mey ny miaramila sy ny vahoaka. Kihon-dàlana lehibe teo amin’ny tantara sy ny tolom-bahoaka ny 11 oktobra, izay naharesy tosika ny famoretana teo ambany fibaikoan’i Andry Rajoelina sy ny ekipany. « Ny Praiminisitra vaovao, ny Filoham-pirenena ! Miala ianareo ! Raha tsy izany no misy eto dia hifankahita », hoy ny Kolonely Randrianirina Mickael izay nilaza fa ny Miaramila tsy mamono vahoaka. Isan’ireo niara-dia tamin’ny CAPSAT ny jeneraly Lylison de Réné izay isan’ny nametraka an-dRajoelina, izay nilaza fa « tsy maintsy miaraka ny vahoaka rehefa ny vahoaka no mitaky ny hialan’izany olona izany, ka isaorana ny miaramila ». Votsotra ireo miaramila 2 izay voalaza fa nosamborin’ny zandary efa 10 andro mahery. Nisaotra ny vahoaka noho ny fanotronana azy ireo tao anatin’ny andro sarotra moa i Kolonely Randrianirina Mickael omaly, ka naneho hoe : « manomboka ny fandresena, ary tsy ho voasakana na iza na iza mitsivalana eo aloha raha mbola Jesosy no mitondra. Andro sisa isaintsika dia handresy, izay mbola tamana aleo ho tamana, ny voalavo sasany efa nitsoakatsoaka daholo. Ny maizina tsy handresy velively eto Madagasikara ».
MBOLA NAFAMPANA OMALY, NIOVA NY SARY…
Nisy omaly ireo be galona teo anivon’ny zandary niazo ny CAPSAT hifampiraharaha, saingy mbola nafana fo ireo miaramila noho ny namany maty, ka nirefodrefotra indray ny basy, nitsoaka ny andaniny. Tao anatin’ny sakoroka no nisiana sivily voatifitra. Niova ny avy hatrany ny fibaikoana ny tafika Malagasy rehetra ahitana ny an-tanety, an’habakabaka, an-dranomasina, miainga ao amin’ny CAPSAT avokoa, ka ny Général de division Démosthène Pikulas, ka isan’ny maika ny famerenana amin’ny laoniny ny fiainana andavanandro. Nanao fanambarana ihany koa omaly takariva ny zandary ifonana tanteraka ireo voina nateraky ny fihoaram-pefy, miara-ory amin'ny Tafika Malagasy. Mankasitraka ny Gen Z sy ireo rehetra niara-nifoha taminy. Hajanona avokoa ny fampiasan-kery sy ny fihetsika tsy mendrika amin'ny mpiray tanindrazana. Manomboka izao dia miainga avy amin’ny FIGN (Force d'Intervention de la Gendarmerie Nationale) Fort Duschesne ny fibaikoana rehetra, ny fibaikoana ny hery vonjy taitra kosa dia omena an'i Général de brigade Nonos Mbinina Mamelison. Ny teo anivon’ny polisim-pirenena nanambara fa hitodika sy hanamafy ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT