Niavaka ny hetsiky ny ankolafy 3 tetsy amin’ny Magro Behoririka tamin’ny sabotsy teo. Ankoatra ireo kabary nifandimbiasana mahazatra nitondrana ireo hafatra samihafa dia nozarain’ i Thiera Bruno tao ny faha-41 taona nihirany an-tsehatra. Niara-nikalo sy nihira ary niara-nandihy koa tamin’ny lehilahy ireo vahoaka marobe nahafeno hiaka indray ity kianja ity ary nisongadinan’ny tanora Tiako i Madagasikara nampiseho ny tena maha izy azy tamin’ny fisehoana ivelany sy fihetsika manokana (tee-shirt, polo, lambahoany …). “Resy foana ialahy”, hoy ny hiakan’i Fanja mpandrindra ny TIM Analamanga. Nitsefotra ny fetinareo, hoy izy, satria tsy nahazo alalana tamin’ny tompony. Ka lasa aiza izany ireo entana toy ny vary mora sy hena mora ary ny vola mora nokasaina holaniana teny Mahamasina ? “Tsy tafa” ny fety satria manana olana koa i Ambohitsorohitra fa ho rava ny rafitra rehetra, hoy ihany izy. Ary mbola notohizany ny hafatra hoe : hamerina an-dRavalomanana amin’ny toerany isika ka mila rafitra manerana ny fokontany, indrindra fa ny tanora.
Hafatra ho an’ny Troika sy ny Sadc no namaranany ny teniny hoe : apetraho tsara ny raharaha rehetra fa aza atao toy ny any amin-dry o,o, o intsony (Chissano, Salomao …). Tsy izahay no namorona fa ianareo no nisafidy ny anarana FAT, hoy Ignace toa namaly avy hatrany ilay resaka anaram-bositra novoizina tamin’iny herinandro iny. Tapitra ny herinandro hanaovana “dementi”, hoy izy, ka dia miantso ny tribonaly, sokafy ny fanadihadiana momba iny fitoriana nataon’ny Profesora Zafy iny. Raha tsy hanao dia mametraha fialana. Mba nety ary raiso ohatra ny fitsarana frantsay. Vonona isika na afaka herinandro na ho iray volana no ho tonga i Marc Ravalomanana. Tetezamitatra ny an’i Andry Rajoelina ary fahantrana manara-penitra ho an’ny ny vahoaka. Nanakoako tao Behoririka tamin’ny sabotsy fa vita i Camille Vital izay voalaza fa izy no mpanakorontana fa tsy Ravalomanana velively. Tsy maintsy miala ny FAT, hoy i Manoela mpitarika ny “Jeune TIM”, miverina tsy misy romoromo ny filoha Ravalomanana. Fa nametraka ny ahiahiny izy tamin’ny farany hoe : maninona tokoa ny manao ny marina no any am-ponja ankehitriny ?
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.