NITENY NY AMBANY TANANA

« Izahay tsy atao sôsety intsony fa mila olona tena miasa hampivoatra anay »


  • Alarobia 16 Oktobra 2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

manana programanasa tena hanome asa sy hanatsara ny fiainanay, hoy Prezda Naina nisolotena ny fikambanan’ny ambany tanàna miray. Nifampitaona teny andrefan’Ambohijanahary izy ireo ny alatsinainy lasa teo nahitana ny solontenan’ireo tanora mpanao rugby avy eny ambany tanana, ny FTMR6, sy ny solontenan’ny avy any amin’ny 192 fokontany eto Antananarivo renivohitra. Nihaino ny hetaheta sy nitafa mivantana tamin’izy ireo teny an-toerana i Tahina Razafinjoelina. Nambaran’ny Prezda Naina mpitarika ny fikambanana fa tena mangetaheta fiovana amin’ny fitantanana ity Iarivo ity izy ireo. Olana iraisana ny resaka jiro sy rano hoy izy fa manana ny olanay manokana ny eny amin’ny faritra iva. Voalohany amin’izany ny fandriam-pahalemana. Nalaza foana fa hoe fialokalofan’ny mpanao ratsy ny eny amin’izy ireo , hany ka matimaty foana voatifitra ny zanak’izy ireo na dia tsy manao asa ratsy aza. Ankoatra izay ny tsy fisian’ny asa, ny fahadiovana sy ny maro hafa. Leo atao tohatra fiakarana izahay hoy hatrany ny prezda Naina. Rehefa fotoan’ny fifidianana tahaka izao dia manao tsy ombialoha ny mpanao politika midina manantona anay , rehefa lany anefa izy ireo dia ataony vato natsindry ahazana izahay. Ankehitriny anefa dia nahita olona manana vina sy maharesy lahatra izy ireo ka nanapakevitra hanohana ny kandida Tahina Razafinjoelina , noho izy manana ny vina hamahana ireo olana fototra iainan’ireo tanora eny amin’ny faritra iva. Filazany matetika rahateo ny hoe Asa maharitra izay tena ilain’ny tanora amin’izao no atao fa tsy rendrarendra na fampisehoana. Nilaza kosa i Tahina Razafinjoelina nandritra io fihaonana io fa amin’ity herinandro ity dia hanomboka ny asa omena ireo mponina ao amin’ny boriboritany voalohany asa fanadiovana sy fanatsarana ny tanànan’izy ireo ihany no atao amin’izany, handraisana karama. Hitohy amin’ny boriboritany hafa izany aorian’io. Ho an’ny fanatanjahantena indray dia hitondra Mpitsirika talenta sy mpanofana iraisampirenena eny amin’ny faritra iva isika, ato ho ato , hijery ireo tanora manana talenta amin’ny baolina kitra sy ny Rugby,hoy izy.
Solotiana sy RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT