Politique

Niteny indray ny Amiraly Ratsiraka “Tena fotoanan’ny fampihavanana izao”


  • Alatsinainy 09 Septambra 2019

Anisan'ny lohahevitra natsidiky ny Papa Fransoa ny fihavanana, izay soatoavina mampiavaka ny Malagasy.

 

Anisan' ireo nanatrika ny fitsidihany teny Iavoloha ny filoham-pirenena teo aloha, Didier Ratsiraka, efa ela tsy niresaka sy tsy naneho hevitra. Izy no nandray ny Papa Ray Masina Joany Paoly II tamin'ny taona 1989. Natsidiny manokana ny lanjan'ny fampihavanam-pirenena. Nanamafy koa ny filohan'ny CFM, Maka Alphonse, izay mino fa handray iny hafatry ny Papa Ray Masina iny ny Malagasy ary hampihatra avy hatrany. Ny fahavalon'ny fampihavanana dia ny fihatsarambelatsihy. Raha tena hanao fihavanana dia andao atao amin'ny fo fa tsy kisarisary, hoy hatrany ny filohan'ny CFM. Raha zohina, ity taona 2019 ity dia fotoan' ny fampihavanana tokoa satria teo ny Barea nampiray ny Malagasy tamin'ny volana jolay dia izao indray ny Papa. Ary na inona na inona paikady sy politikam-pampandrosoana ampiharina eto, tsy ho lasa lavitra raha tsy miady tsy miady kanefa kobay an-kelika ihany sy mbola mifampihatsaravelatsihy; satria mitranga foanna ny valifaty politika avy eo. Fampihavanana tena izy hisian’ny fifampiresahan’ireo rehetra nifanandrina no resaka eto fa tsy ilay fampihavanana ambony latabatra nahazatra hatramin’izay.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT