Enjehina noho ny halako bika tsy tiko tarehy aho!"
Raha somary nangingina tsy dia re feo ny Filohan'ny Antenimierampirenena na ny PAN Siteny Randrianasoloniaiko tato ho ato dia nilaza ny tenany omaly fa misy foana ny kihonohono. Tsy nisy tsy nahafantatra fa nisy fampiantsoana nataon'ny amin'ny maha PAN azy. Tsy maintsy nanao tatitra tamin'ny Solombavambahoaka ny amin'ny fivoriana izay nataonay ka izay indrindra ny anton'ny fandaharam-potoana, ka tonga ny depiote maro, hoy ity farany omaly nilaza fa nifampihaino amin'ny tokony hatao. Nilaza ny tenany efa depiote nahavita taom-piasana telo, fa tsy mbola nisy Antenimierampirenena nijoro sy nipetraka tamin'ny nametrahan'ny lalàmpanorenana azy. Nambarany fa tsy mbola nisy fampiantsoana ny fahefana mpanatanteraka matetika izany, tsy mbola nisy fanambarana natao tamin'ny vahoaka Malagasy hoe izao marina ny tena zava-misy, tsy mbola nisy fanadihadiana parlemantera momba io Jirama io tena mandeha sy manazava antsipirihany amin'ny vahoaka Malagasy, fanintsiana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana efa nasiam-panintsiana,... Ohatran'ny adinontsika, hoy i Siteny Randrianasoloniaiko, ny asa izay vitan'ny Antenimierampirenena, ka nilazany fa "Tsy mivadibadika fa mijery izay mahasoa ny vahoaka Malagasy". Raha nisy fahotana nataoko, izaho nanohitra ny Fitondrana teo aloha. Niantso ny IGE (inspection générale de l'Etat) hoe nangala-bola ve aho, inona ny fahotana nataoko? Iza no sahy hiteny hoe tsy nanohitra an'i Rajoelina imaso imaso i Siteny? Tsy nidina an-dalambe ? hoy hatrany ity farany. Nilaza ho nanolotra ny ainy ho an'ny Firenena ka tsy tokony hohenjehina amin'ny halako bika tsy tiko tarehy. Tsy niantso "dialogue politique" aho, ny Filohan'ny fanavaozana no niantso an'izay ka aminy no tokony hanontaniana ny resaka "dialogue politique", hoy ity farany nilaza fa tsy hisy fampandrosoana raha mbola voizina ny fampisarahana politika. Nezahiny naverina ny hoe: izaho no nitarika ny fanalana Rajoelina tao amin'ny Antenimierampirenena, dia izaho indray ve no hamerina azy. Nanipika, fa efa handeha ny fanadihadiana ny raharaha Rajoelina. Fanadihadiana no anjaran'ny depiote fa ny mpanatanteraka sy ny Fitsarana ny fanapahana. Lazaina fa izaho no namono an'i Jean Jacques, ka avoahy ny porofo, hoy hatrany ity farany. Na izany aza, politika no resaka eto, ka ny vahoaka no tena afaka mitsara ireo mpanao politika amin'ny zavatra ambarany. Betsaka rahateo ny toe-javatra mampametra-panontaniana ny olom-pirenena manodidina ny fihetsika sy fiovaovana ara-politika. Sahy hiteny ve ohatra ny PAN ankehitriny fa tsy nisy fifanarahana na "deal politique" na koa farafaharatsiny fifandresen-dahatra teo aminy sy ny Depiote volomboasary ka nahalany azy ho Filohan'ny Antenimierampirenena? Ny fandalinana ny resaky ny PAN aloha dia toa hahatsapana fa toa misy fanenjehana politika mahazo azy, ka niezahany nilaza fa niasa ny Antenimierampirenena teo ambany fitarihany, ka tsy ara-drariny ny fanenjehana azy, raha ny filazany. Asa mitombina ve ny mety hitrongisana azy tsy ho PAN na nambara fa tsy izay aza no anton’ny fivoriana nikaton-trano omaly? Fifandrifian-javatra sy zavatra tsotra ve ny fitsanganan'ny vovonana VFM niainga avy ao amin'ny Antenimierampirenena? Iray loha amin'io ny PAN sa ivelany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.