Nisandoka ho filohan’ny Emergence Madagascar

Mpandraharaha iray naiditra am-ponja noho ny resaka vary simba


  • Alakamisy 11 Janoary 2024

Naiditra am-ponja vonjimaika koa na MD ny mpandraharaha, Raheriniaina Jean Nestor Dollin,

noho ny resaka vary simba niparitaka tato ho ato. Ankoatran’ilay 3 kaontenera tratra tao Toamasina moa dia nisy koa resaka 50 kaontenera tao Mahajanga, izay niatombohan’ity raharaha vary ity. Omaly aza dia mbola nisy 35 gony indray voalaza fa saika ho alefa tany Taolagnaro. Maromaro ireo olona ambony heverina ho akaikin’ny fitondrana saika voasaringotra tao anatin’ity raharaha ity, raha tsy hilaza afa-tsy ny prefe iray sy depiote iray ihany koa. Ankehitriny dia misy ity mpandraharaha voalaza ho nisandoka ho filohana vovonana politika manohana fitondrana antsoina hoe “Emergence Madagascar” ity indray. Raha tsiahivina dia ity mpandraharaha ity ihany koa no nanana olana tamina resaka aferana fiara tsy mataho-dalana tamin’ny filohan’ny VMF na Vondron’olona manohana ny fitondrana, Falson Jocelyn Rantenaina, tamin’ny taon-dasa. Isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe mitohy hatrany ve izany ny fifamotehan’ireo samy mpanohana ny fitondrana sa tena finiavana hanadio ny tokantranony tokoa ny an’izao fitondrana vao nanohy fotoam-piasana tao anatin’ny andro vitsy izao?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT