Niresaka momba ny fifidianana ny KMF

CNOE


  • Alakamisy 19 Desambra 2024

Natsikafon’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nanoloana ny mpanao gazety avokoa

omaly io ireo teboka nanamarika ny fifidianana ny 11 desambra 2024 lasa teo. Niova ho fifidianana lisitra ny fomba fifidianana hoy Atoa Robert Namearson, filohan’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena.
Nialohan’ny fifidianana dia novoizina ary lasa fomba fiteny ny hoe : “Kandidam-panjakana” sy ny hoe : “Rehefa mifidy ny kandidam-pajakana dia handroso ny Kaominina”. Nomarihiny anefa fa ny Fanjakana dia an’ny Malagasy rehetra fa tsy an’ny antoko na vondron’antoko manohana ny fitondrana. Nifangaro tanteraka ihany koa ny programa sosialim-panjakana sy ny hetsika antoko, nandritra ny fampielezan-kevitra, indrindra teto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohtra na CUA sy ireo renivohi-paritany sasantsasany.
Fanontaniana mipetraka ny hoe volan’ny antoko ve sa volam-panjakana no nividianana ireo vary sy ireny entana samihafa nozaraina ireny? Toy ireo ankolafy hafa dia isan’ireo tsy resy lahatra tamin’ny famerenana ny “ordonnances” izay tsorina fa kajikajy politika sy manakorontana tanteraka ihany koa ny fikambanana raha ny fanazavany. Vitsy ny mpifidy tonga nandray anjara nandritra ny fifidianana ary na ireo nisoratra tamin’ny “ordonnances” aza, mbola misy tsy tonga nifidy ny maro.
BETSAKA NY SAMPONA
Nisy ny fifamadihan’ny taratasy nampiasaina nikirakirana ny fifidianana izay nomarihiny fa tsy teto Antananarivo fa na tany amin’ny faritra ihany koa aza. Nisy hatrany fizarana “Ticket” sy fandraisana anarana mpifidy hahazoana vary sy fanomezana hafa nandritra ny androm-pifidianana. Biraom-pifidianana maro nafindra toerana tamin’ny ora farany toy ny tao Befintina, Amboanara, Andohadoatra ( Nosy Be Hell-Ville).Bileta efa voamarika mialoha : Antafinambiatra, Daresalam ( Nosy Be Hell Ville), Ambohitsoa Tanà II, Anosibe Tana IV. Olona tsy ao anaty lisitry ny mpifidy ao amin’ny Fokontany no voatendry ho mpikambana ao anaty biraom-pifidianana. Iaraha-mahita anekehitriny fa manjaka ny tsy fitokisan’ny olom-pirenana ny Fitsarana amin’ny raharaham-pifidianana sy ny rafi-pifidianana izay misy ankehitriny hany ka lasa mampihonontsaina ireo kandida resy izay nahita ireo endrika tsy fanarahan-dalana fa tsy mitondra ny raharaha eny anivon’ny Fitsarana. Maro mihitsy no milaza fa tsy ilaina intsony ny fifidianana eto Madagasikara, raha toy izao hatrany ny endrika isehoany.
FEPETRA HO FANATSARANA
Teboka maro moa no angatahan’ity fikambanana ity fitakiana. Santionany amin’izany ny famoahana ny vokatra isaky ny birao-pifidianana rehetra. Fanajanonana tsy misy hatak’andro ny fifandranitana. Famoahan’ny CCFVP ny tatitra tamin’ireo fifidianana nifandimby. Fanatanterahana ny fifidianana izay hitondra ny Faritra. Fanendrena ny ho Sefo Fokontany aorian’ny fifidianana, araka ny voalazan’ny lalàna (and-5, didim-panjakana 2009-890, ny 2 juillet 2009). Nanamafy moa ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena ny tsy maintsy hanatsarana ny rafi-pifidianana, na “ny système électoral” hamerenan-kasina ny fifidianana.
Lalaina RAV
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT